Efa namafisin’ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola fa tsy
mihemotra amin’ny lalàna no tapahany ny Fanjakana mikasika ilay TVA (Taxe su la Valeur Ajoutée) 20% alaina amin’ny zana-bola amin’ny banky. Mbola hiitatra amin’ny sehatra hafa aza satria tsy maintsy mampihena 280 miliara Ar isan-taona amin’ny fanalefahana na fanafoanana hetra ny Fanjakana. Mba tsy hakana ny haba amin’ny vary no nanaovana ilay amin’ny Banky, raha ny nambara. Teo anatrehan’ny toe-javatra sy ny adihevitra nifamahofaho, namafisin’ny Fitantanana ankampoben’ny hetra na ny DGI ny hampiharana an’io tataom-bidy 20% amin’ny zana-bola alain’ny banky amin’ny findramam-bola omeny ny mpanjifa io. Tsy mbola ampiharina avy hatrany anefa io fepetra io araka ny fanambarana nivoaka ny 02 Jolay tamin’ny 01 ora maraina. Miantso ireo Banky rehetra hiandry ny fivoahan’ny Fanambarana Ofisialy avy amin’ny Goverenemta, hanazava misimisy kokoa ny fampiharana ny TVA 20% amin’ny zanabola amin’ny findramam-bola ny DGI. Tao anatin’ny 6 volana nandaniana sy nisian’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na LFI 2025 izay tsy nasiam-panintsiana dia mbola tsy fantatra hoe : izao no hanaovana an’ity ? Ny Fanjakana amin’io efa mamaritra fa 116 miliara Ar ny vola heveriny fa ho azo amin’io. Miharihary hatrany aloha izany ilay fomba fiasan’ny Fanjakana Rajoelina izay manao zavatra vao mandinika, hany ka matetika midona amin’ny rindrina, araka ilay fomba fiteny. Tamin’ny andron’ny coronavirus, nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny DGI fa ampandoavina hetra ireo mpivarotra amin’ny tsena an’habaka na « vente en ligne ». I Andry Rajoelina filohamp-pirenena mihitsy avy eo no niditra an-tsehatra nilaza hoe : « Ajanony any izany, zara aza ny olona misy atao, avelao ny olona hiasa. Izao Indray LFI izay Loi organique (lalàna fehizoro), namoahan'ny Filoham-pirenena didy fampiharana matoa manan-kery taorian’ny fankatoavan’ny HCC, ny lalàna fehizoro izay lalàna ambony manaraka ny lalampanorenana no nanapahana fa tataovana TVA 20% ny zanabola amin'ny findramam-bola banky dia serasera tsotra na « simple communiqué » avoakan'ny DGI no mampihantona ny fampiharana azy. Izay ilay tany tan-dalàna ? Amin’ny lafiny iray hafa, raha ampitoviana ilay tranga roa mikasika ny mpanao « vente en ligne » sy ny mpandraharaha na orinasa na olon-tsotra amin’ny banky, nahoana no tsy sahy manapaka sy mampanintsy ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana i Andry Rajoelina ka foanana io fa avela hiaina ny orinasa, zara aza misy olona mandraharaha, izay efa mandoa hetra, mandoa haba, mandoa IRSA ny mpiasa,… Ny eto mantsy toa ny manaran-dalàna ihany no vonoina sy botriana ! Ny fitantanana Firenena tsy misy mandeha amin’izay laoniny, fa mbola manamafy ilay nolazain’ny vahiny tamin’ny andron’ny tetezamita hoe : tsy misy kalitao !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.