Politique

Lalàna momba ny fitsinjaram-pahefana Nampihena be ny sehatra hahafahan’ny faritra miasa


  • Zoma 25 Janoary 2019

Ny fanovana maro tao anatin’ny lalàna 2014-020 dia nampihena be ny asan’ny faritra ary tsy miteraka fitsinjaram-pahefana tena izy, hoy ny lehiben’ny faritra (CR) Analamanga Ndratonomena Rakotonanahary.

 

Hita taratra izany tamin’ny fitantanan’ny faritra izay sady misy prefen’ny faritra misahana ny fandriampahalemana sy ny momba ny tany (service foncier).  Mifanitsaka amin’ny asan’ny lehiben’ny faritra nefa izany ary tsy azony atao noho ny fifangaroan’andraikitra. Mandringa ny fampandrosoana izay lazain’ny lalàmpanorenana fa sahanin’ny lehiben’ny faritra, hoy izy satria na ny sampandraharaham-panjakana misehatra eo amin’ny lehiben’ny faritra aza tsy voafehy. Izany no antony nampihena ny hetra tambatra sy ny fidiram-bolan’ny vondrom-bahoakam-paritra hatreto. Na ny Komity Ifoton’ny fampandrosoana (CLD) izay natao aza moa dia tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy mihitsy satria lasa notantanan’ny solombavambahoaka sy ny sefo distrika ary tsy niditra tao anatiny akory ny faritra, hoy ny CR Analamanga. Raha ny lalàna misy amin’izao dia tokony hofoanana ny faritra satria ny asa ataony efa ataon’ny hafa avokoa. Olana be ihany koa ny fampiharana ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana satria tsy maintsy hisy fitongilanana ny iray amin’ireo. Mety hitanila any amin’ny solontenam-panjakana daholo ny fahefana. Raha hitantana firenena sy hanao politika anefa dia tokony ho olom-boafidy sy ny vondrom-bahoakam-paritra no mahazo ny fahefana, hoy hatrany ny lehiben’ny faritra Analamanga.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT