Politique

Lalàna mifehy ny fifidianana Tokony ho mora raisin’ny olona, hoy ny Gasikara maitso


  • Alarobia 08 Novambra 2017

Foto-dresaka eo amin’ny tontolo politika indray ankehitriny ny mikasika ny lalàna mifehy ny fifidianana na ny “code electoral” ary dia saika mirona amin’ny hevitra ny amin’ny tokony hametrahana sy hampahalalana izany faran’izay haingana avokoa ireo mpisehatra eo amin’ny tontolo politika.

 Ho an’ny eo anivon’ny fikambanana Gasikara maitso dia nanambara ny sekretera jeneraly, Romeo Razafindrasanda, fa aleo andalana vitsivitsy no ho hita ao anatin’io lalana io mba hahafahan’ny olom-pirenena rehetra mahalala ny tokony hataony. Ny olom-pirenena amerikanina, hoy ny tenany, dia mahalala tsara ny lalàna mifehy ny fifidianana any aminy fa isika kosa manao ahoana ? Toy ny fanatanjahantena io. Matoa ny taranja baolina lavalava be mpankafy sy mandroso dia mahalala sy manaja ny fitsipika mifehy izany ny mpilalao sy ny mpanazatra ary ireo rehetra mpisehatra ao anatin’izany. Aleo fantatra dieny izao, hoy ny tenany ny fitsipi-dalao rehetra mba tsy hisy holazaina indray hoe “ tsy lany match”.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT