Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoana eny anivon’ny antenimieram-pirenena, ka raha ny voafaritry ny lalàna dia tsy hihoatra ny 12 andro izany. Hifantoka betsaka amin’ny fandinihana ny tolo-dalàna momba ny fifidianana ny ny lahadinika, arahin’ny fandaniana izany.
Tsy hay izay mety ho endrik’ilay lalàna ambara, fa niainga tamin’ny fakan-kevitra isan-karazany. Tsy dia manana fahatokisana firy ny mikasika izany ny firaisamonim-pirenena sasany, ka anisan’ny nametraka ny ahiahiny ny KMF/CNOE tamin’ny alalan’ny mpikambana ao aminy Ratsimbazafy Aimée ny faran’ny herinandro teo. Navoitrany ny zava-misy mahazatra eny anivon’ny antenimieram-pirenena hoe lany foana ny tolo-dalàna atolotra sy aroson’ny fanjakana na firy na firy solombavambahoaka tonga mivory. Tsy dia mahalala firy izay voarakitry ny tolo-dalàna natolotra hodinihina aloha ny ankamaroan’ny mpikatroka politika sy ny firaisamonim-pirenena, ary na ny eo anivon’ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI aza. Tsy hay aloha na tena niainga tamin’ny fakan-kevitra natao tamin’ny herivelona isan-tsokajiny teto amin’ny firenena ihany koa no narafitra na hiseho indray ny toe-javatra toy ny tamin’ny fandrafetana ny lalàna mifehy ny fifandraisana. Hafa ny nifanarahana sy niaraha-nanapaka, saingy hafa mihitsy no navoaka tamin’izany. Mbola samy miandry izay hiseho ny rehetra. Tsy maintsy hodinihina lalina ny momba ny ho fizotry ny fifidianana izay miteraka adihevitra betsaka toy ny mety hisian’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Andrasana na hisy na tsia io fitsapan-kevi-bahoaka io. Eo ihany koa ny hoe : fifidianana filoha ve sa ny solombavambahoaka no handeha mialoha ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.