Tandindomin-doza tanteraka ny asa fanaovan-gazety, hoy ny mpanao gazety rehetra raha nanatanteraka fivoriana maika teny amin’ny Pradon Antanimena izy ireo omaly manoloana ny mety ho fandanian’ny parlemantera ny lalŕna mifehy ny fifandraisana.
Loza ny ateraky ny fampiharana io lalàna io izay efa mandeha eny anivon’ny Antenimierandoholona nanomboka omaly. Tsy nesorina mantsy ilay artikla faha-20 izay mampiditra am-ponja avy hatrany ny olon-drehetra, indrindra fa ireo manaratsy na mamely vaovao tsy voamarina na miresadresaka honohono sy tsaho toy ny fahita mahazatra anaty facebook. Io ilay resaka cybercriminalité efa nampiady hevitra be ary nampikatso ny fandrafetana ilay volavolan-dalàna momba ny fifandraisana, hoy i Fetra Rakotoarisoa mpitondra tenin’izy ireo. Toraka izany ihany koa ny an’ny mpanao gazety izay mbola azo fonjaina raha mifanohitra tamin’izay no efa nifanarahana teo aloha. Ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly mihitsy no nilaza fa nofoanana ny resaka fanagadrana mpanao gazety. Samy nametra-panontaniana ny amin’ny fipetraky ny holafitra izy ireo manoloana ity volavolan-dalàna ity. Tsiahivina fa hisy ny hetsika goavana hotanterahin’ny mpanao gazety rehetra izay efa nanomboka tamin’ny fanangonan-tsonia isaky ny toeram-piasana hatramin’ny omaly. Nihaona tamin’ny solontenan’ny Antenimierandoholona isany Zo Rakotoseheno sy Olivier Rakotovazaha ny mpanao gazety omaly momba ity volavolan-dalàna mifehy ny fifandraisana ity. Mbola hisy ny fivoriamben’ny mpanao gazety anio amin’ny 10 ora maraina eny Antanimena ka aorian’izay no hahafantarana ny dingana manaraka hatao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.