Politique

Lalàna mifehy ny antoko politika Fototry ny olana eto Madagasikara


  • Zoma 23 Febroary 2018

Hatramin’izay mihitsy no tsy mety nazava ary toy ireny niniana tsy nazavaina ireny ny lalàna mifehy ny antoko politika eto Madagasikara.

Tsy mba voizina amin’ny haino aman-jery toy ny andininy faha 24, izay namafa ireo antoko tsy nanambara ny fisiany mihitsy ireo andinin-dalàna mikasika ny tokony ho fitondran-tenan’ny mpanao politika sy ny etika na ny deontolojian’ny antoko. Toa io sy ilay andinin-dalàna mametra ny isan’ny antoko ho 300 isa laharana 2011 – 012 hatrany no hirahiraina fa ny andininy faha 36, izay milaza ny mikasika ny tokony ho fitantanana sy loharanom-bolan’ny isan’ny antoko, ohatra, miha odiana fanina isan’andro. Efa ny taona 2015 no nekena fa 140 isa ihany ireo antoko ara-dalàna sy nanambara ny fisiany fa mila mameno ny fepetra ireo 40 hafa nolavina. Farany teo anefa, nony tafakatra 300 isa tokoa ireo antoko, dia io naverina ho 140 io indray no nekena. Tsy hay hoe inona no tena antony mafonja nanajanonana ireo ambiny. Sa ve nisy kolikoly avo lenta indray tao nanekena ireo 140 ? Hahagaga rahateo ve raha toa roboka amin’ny  fanaovana kolikoly ireo mpanao politika raha toa ka ny lalàna mifehy azy ireo aza goragora sy goragoraina ? Mikorontana avy eo ny firenena satria ireo noheverina hitarika sy hanoro lalana no manondrana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT