Politique

Lalàna mifefy ny fifidianana Ny parlemantera no hampitony na hanakorontana eto


  • Zoma 29 Desambra 2017

Hotanterahina manomboka amin’ny 9 janoary 2018 ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny antenimiera roa tonta mba handaniana ireo lalàna mifefy ny fifidianana.


 Hanaiky ireo fanitsiana na fanatsarana hoentin’ireo vondron’ny antoko politika sy fiarahamonim-pirenena nandray anjara feno tamin’ireo atrikasa maro nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2016  mba hanatsarana ny didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana ve ny vaomiera mandinika an’ilay volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana natolotry ny governemanta eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ? Raha miroso amin’izany lojika izany ny vaomiera mandinika an’ilay volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia azo ambara fa ireo lalàm-pifidianana lanian’ny solombavambahoaka amin’ny fivoriana azon’ny besinimaro hatrehana dia hoeken’ny rehetra ary hitarika fitoniana ara-politika amin’ny taona 2018. Raha ny mifanohitra amin’izay no hitranga dia ahiana hitarika savorovoro politika eto Madagasikara vao miandoha ny taona vaovao. Araka ny Lalàmpanorenana dia hotanterahina any amin’ny volana novambra 2018 ny fifidianana fihodinana voalohany amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena malagasy vaovao indray mandritra ny dimy taona. Andrasana ny famaritana ny andro hanaovana azy. Raha nisy ny fifanatonana mialoha tamin’ireo mpanao politika mba handaminana izao raharaha izao dia ho hita taratra amin’ny lanonam-panjakana amin’ny zoma 5 janoary 2018 ny fahatongavan’ireo filoham-pirenena teo aloha dia Andriamatoa isany Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Andry Nirina Rajoelina hanatrika ny lanonana eny Iavoloha. Lanonam-panjakana izay tafiditra indrindra amin’ny androm-bahoaka sy manenjika ny diavolana fenomanana izay nahazatra ny mpitondra fanjakana tamin’ny Repoblika fahatelo no nanao ny lanonam-panjakana rehetra tamin’izany fotoana.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT