Mbola manana herintaona ny fitondrana ankehitriny, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa, hidirana ao anatin’ny antsoina hoe “Cadre legal” amin’ny lafiny rehetra.
Hiteraka korontana foana ny fifidianana eto rehefa tsy milamina ny fitsipi-dalao. Ny lalàmpanorenana eto kitoatoa, ny lalàna mifehy ny antoko, indrindra eo amin’ny lafiny famatsiam-bola, dia tamin’ny andron’ny mpanongam-panjakana. Ny lalàna mifehy ny fifidianana moa tsy lazaina intsony. Toy izany koa ny lalàna mifehy ny fifandraisana. Mila fahamarinana sy fitsarana ary fampihavanana aloha isika mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana. Izay nanao heloka bevava rehetra fa tsy politika dia tokony hotsaraina aloha, mizaka ny ziogany avy eo ary asaina mibaboka amin’ny vahoaka. Azo atao ny manao fitsapan-kevi-bahoaka hanovana tanteraka ny lalàmpanorenana dia manangana repoblika vaovao vao manao fifidianana. Mbola maloto daholo, araka izany, ny lalàna eto amintsika, raha ny hevitry ny antoko Teza. Ary vao mainka hiteraka krizy lalina raha hirosoana sahady amin’ny fifidianana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.