Politique

Lalàna fehizorom-pifidianana 2018 Feno fanilikiliana hoy ny depiote Rasoanoromalala Horace


  • Alakamisy 22 Martsa 2018

Nakarina tao amin’ny fivoriana nitambaramben’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza ny talata 20 martsa teo ilay volavolan-dalàna fehizoro laharana 05/2018 mikasika ny lalàm-pifidiana hampiharina amin’ny taona 2018 ity.

 

 Ny mampalahelo amin’izy ity, hoy ny depiote TIM, Rasoanoromalala Marie Horace, dia ny nanaovana avy hatrany hoe : fandaniana lalàna no hatrehana nefa rehefa misy volavolan-dalàna tahaka an’izao  avy amin’ny governemanta tonga ety Tsimbazaza dia dinihan’ny depiote amin’ny asam-baomiera aloha ka rehefa misy tsy mahasoa ny vahoaka dia hanaovana “ammendement”  vao entina hodinihany eo anivon’ny fivoriana hitambarambe azon’ny rehetra hatrehana  vao hakana fanapahan-kevitra amin’ny tsangan-tanana avy eo fa tsy anaovana bontolo be  tahaka izao atao ankehitriny izao. Izany hatrany no fomba fiasa ao amin’ny “Commission juridique” misy anay  ary ny CENI no tokony hanatrika ny fifanatrehan’ireo depiote fa tsy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta fa lasa “Juge et Partie” ry zareo raha misitraka izany. Marihina fa ny volavolan-dalàna amin’ny endriny asiam-panovana sy amin’ny endriny mitondra fitoniana no ilain’ny vahoaka Malagasy ka raha misy endrika fanilikilihana sy tsy fangaraharana dia tsy mendrika ny hofidiana izany.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT