Politique

Lalŕn’ny serasera Te hanao trafika be angamba ireo mpitondra


  • Alatsinainy 04 Jolay 2016

Maro dia maro ny hevitra re etsy sy eroa momba ny fehezan-dalŕna mifehy ny seraseran’ilay tetiky ny fitondram-panjakana hampandany azy io maimaika eny amin’ny antenimieram-pirenena.

Manana ny heviny sy ny fomba fijeriny manoloana izany ihany koa Atoa Razafinjoelina Tahina, mpandraharaha ary Filoha tale Jeneralin’ny  Groupe Vidy Varotra izay orinasa manana trano printy sy mamokatra gazety efatra.

 

Tia Tanindrazana : Inona no hevitrao momba ny savorovoro misy amin’ny lalàn’ny serasera ?

 

Razafinjoelina Tahina (RT) : Azo lazaina fa zavatra roa lehibe no mampisy ny olana. Ny voalohany dia ny alalana ahafahana manasazy na manakatona mihitsy gazety iray noho ny fanalam-baraka na ny filazana fiainana manokana, ary ny faharoa dia ny fomba fanapahana na fitsarana izany hadisoana izany, izay tsy hatao eny anivon’ny fitsarana, fa hataon’ny komisiona manokana, izay hotendren’ny fanjakana. Ho tery dia tery tokoa noho izany ny fahafahan’ny vahoaka mba ahafantatra ireo mety ho hadalana hiseho izay hataon’ny mpitondra ambony noho ny fatahoran’ny mpanao gazety ny mety ho fitoriana fa fanalam-baraka ny filazana izany.

 

TT : Ilain’ny firenentsika ve anefa izany fahalalahan’ny mpanao gazety izany sa mety hitondra korontana fotsiny ihany ?

 

RT : Angamba raha mijery ireo vaovao misongadina iraisam-pirenena isika dia ahatsapa avy hatrany fa anisan’ny lesoka lehibe ary antony mahatonga ny goragora eto amintsika ny tsy fahampian’ny fahalalahan’ny mpanao gazety. Raha mahatsiaro isika dia mpanao gazety no nahatratra an’ny filoha frantsay François Hollande nampiaraka ka nampikorontana ny tokantranon’ity farany. Raha taty amintsika izany dia mety ilay mpanao gazety indray izany no nogadraina ? Nefa dia fiainana manokana tanteraka izany. Ankoatra izay, nisy ireo mpitondra ambony maro, tahaka ny minisitra tao Espana, ohatra,  no niala tamin’ny toerany, noho ny filazan’ny mpanao gazety ireo mpanao hosoka tao anatin’ny PANAMA papers. Raha taty amintsika ireny dia tsy nisy akory na famotorona fototra ary ho an’ireo olona ambony voalaza fa nandiso, fa any amin’ilay mpanao gazety indray izany no hitodika ny fanadihadiana.

 

TT : Inona anefa no hidiran’izany amin’ny fiainan’ny vahoaka madinika ? Sao ny tombontsoa manokan’ny mpanao gazety indray no arovany ?

 

RT : Raha mbola misy ny fatahoran’ny mpanao gazety mpitondra, dia aza gaga raha mirongatra be tahaka izao ireo trafika maro eto amintsika. Efa betsaka anie ny vaovao mandeha fa olona ambony dia ambony tokoa no tompon’antoka amin’ny bois de rose sy volamena e !  Nahoana izy ireo no mbola sahy manohy ? Satria fantany fa tsy hisy ho sahy hiteny izany, ary izay hiteny indray no tsy maintsy atao mahita. Raha ny zava-nisy tamin’ny 26 jona, ohatra, ahoana ny ahafahana mba manisy fandalinana fa mety sinema fotsiny ireny niseho teny Mahamasina ireny, ahafahana hanimba ara politika olona sasantsasany ? Na koa hevitra hafa ahafahana mampijanona an-kolaka ny fivorian’ny frankofonia noho ny mety ho tsy fisian’ny vola ?

 

Etsy an-daniny, ikoizan’ny maro isika eto Madagasikara fa ivontoeran’ny kolikoly sy ny fanaparam-pahefana. Iza no ho afaka ampahalala an’izany ampahibemaso raha tsy amin’ny alalan’ny serasera ? Ny tiako homarihina izany dia arofanina ho amin’ny fitondrana mangarahara ny fanaovan-gazety ary marina fa misy ny mety mihoatra, fa ny tombontsoa azo avy aminy kosa dia tena ilain’ny firenentsika ankehitriny.

 

TT : Inona ary hoy ianao ny vahaolana raha hataon dry zareo teren-ko masaka ao io lalàna fanampenam-bava ny marina io ?

 

RT : Amiko aloha dia mila manohy ny hetsiny ny mpanao gazety rehetra tahaka ny niseho tamin’ny zoma teo iny. Ary tsy tokony hatahotra hilaza ny marina, fa izany foana anie no anisan’ny nahavoa ity firenentsika ity e.  Eto am-pamaranana dia manipy teny ho an’ireo mpitondra ihany ny tenako. Avelao ny mpanao gazety hanampy anareo amin’ny fanafoanana ireo gaboraraka sy trafika isan-karazany fa zava dehibe ho an’ny firenentsika izany. Raha tsy sanatria hoe, ianareo mihitsy no tena be trafika ka manana tombontsoa hanafenana izany !

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT