Nivoaka tamin’ny fahanginany Raholdina Faneva nanoloana ilay tenin’ny filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré mikasika ny tokony hanitsiana ny lalŕmpanorenana.
Tena miombon-kevitra amin’izany ny tenako, hoy izy satria io iainantsika amin’izao fotoana io dia natao maimaika fotsiny nentina nanilihana ny tamin’ny Repoblika fahatelo izay nisy fanitsiana nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana izay tsy hita ny naharatsy azy. Rariny raha mahita zavatra hahitsy Rakotomanana Honoré izay mpahay lalàna. Mila ahitsy ihany koa ny lalàna mifehy ny fifidianana. Natao maimaika ihany koa mantsy izy io. Ankoatra izay dia miteraka tsy fitoniana politika tahaka ny niainantsika tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Zafy Albert ny tsy fanitsiana io lalam-pifidianana io ka antony nahatonga azy niongana teo amin’ny fitondrana ary tsy nahafahany nanao ny asa fampandrosoana neritreretiny akory.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.