Politique

Lalàmpanorenana sy lalam-pifidianana Mampiahiahy, hoy ny TIM, MAPAR, PLD, DFP,…


  • Sabotsy 28 Oktobra 2017

Nivory teny amin’ny Hotel Colbert omaly ireo mpanao politika, ho tohin’ny fivoriana efa natrehan’izy ireo afak’omaly teny amin’ny Hotel Carlton Ampefiloha.

Fantatra tamin’izany fa tsy mankasitraka izy ireo ary miahiahy amin’ny lalàmpanorenana vaovao halefa eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Voalaza ao amin’ny fanambaran’izy ireo taorian’ny fihaonana fa mety hitongilana sahady ny lalàm-pifidianana hodinihana eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’izao fivoriana ara-potoana faharoa atrehan’ity andrimpajakana ity izao. Mpanao politika maro avy amin’ny ankolafy samihafa no hita teny an-toerana omaly, izay saika avy amin’ny fanoherana ny fitondrana avokoa, anisan’ny hita tao ny avy amin’ny antoko TIM notarihan’ny filoha nasionaliny Marc Ravalomanana, ny avy amin’ny vondrona MAPAR nahitana ireo CT teo aloha avy amin’ity vondrona ity, Sarah Rabearisoa avy amin’ny PLD (Parti Liberal Democrate), ny avy amin’ny DFP (Dinika Fanavotam-Pirenena), Manantsoa Victor mpiara-dia tamin’i Profesora Zafy Albert, ny avy amin’ny antoko Teza notarihan’ny filohany Rakotoamboa Jean Louis sy ny maro hafa. Azo nambara ho tsy nahomby ny fifampidinihana. Heverin’ny fanjakana HVM fa handresen-dahatra ny mpanao politika amin’ny hanovana ny lalàmpanorenana. Toa tratry ny ady am-parimbona ny fanjakana ankehitriny satria mahatsapa zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny, indrindra kajy maloto ny rehetra. Tsy hay aloha na hihemotra na hinia hitady fomba maloto vaovao sy hanao kopisoroka. Efa zava-dehibe ny tahaka ireny, ka tokony hotohizana hatrany mandra-pisehon’ny tena zavatra hifanarahana raha tiana ny hisian’ny filaminana eto Madagasikara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT