Misokatra tanteraka ny adihevitra momba ny fikitihana ny Lalàmpanorenana Malagasy natao amboletra tamin’ny taona 2010. Tsy misy ratsy ny didy aman-dalàna eto Madagasikara.
Lesoka fototra kosa ny tsy fananan’ireo mpanao politika sy ny mpitondra fanjakana finiavana hampihatra, araka ny fanehoan-kevitry ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Tsy fotoanan’ny fanitsiana ny Lalàna fototra izao taona iray mialoha ny fifidianana izao. Ilaina faritana mazava rahateo ilay lazaina ho «tranga manery» ny fanovana andininy vitsivitsy, hoy ireo mpanara-baovao. Manana ny fomba fijeriny ity lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-IV ity ihany koa anefa ireo olom-pirenena samihafa. Hoy indrindra izy ireo :
Serge Zafimahova (Cde): «Efa tsy neken’ny mpanao politika Malagasy maro an’isa sy ny fianakaviambe iraisampirenena ity lalàmpanorenana mandeha ila avy amin’ny filankevitry ny minisitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita naroson’ny komity mpandinika ny Lalàna fototra ity ny taona 2010. Takon’ny tondrozotra lasa lalàna velona nifanarahan’ny rehetra rahateo izy io nanomboka ny 13 septambra 2011».
Sahondra Rabenarivo (Sefafi): «Tsara aloha raha hampiharina amin’ny endriny misy ankehitriny ilay Lalàmpanorenana. Rehefa tsy mety na ahitana lesoka ny fampiharana vao tokony hirosoana ny fanatsarana na fanovana azy».
Alain Andriamiseza (Mcdm) : «Tokony ho ny lalàmpanorenana iray manontolo no soloina hifanandrify amin’ny hetahetan’ny vahoaka, ny demokrasia ary ny faniriana mankany amin’ny fampandrosoana. Hanolotra volavolana lalàna fototra hanatsarana kokoa ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka rahateo ny tenako».
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.