Misy amin’ireo andinin-dalàna sasany ao anatin’ny lalàmpanorenana no tokony hovaina, hoy ny loholona Rakotovazaha Olivier voatendry tamin’ny anaran’ny filohan’ny Repoblika.
Anisan’ny lalàna tokony hatao, hoy izy, ny fanomezana fahefana ny eny anivon’ny fokontany sy ny fokonolona. Maro ireo pitsopitsony mety hiteraka fifandirana eo amin’ny lalàna. Mikasika ny fahalalahana maneho fanehoan-kevitra, izay miteraka resabe eto amin’ny firenena, dia efa voafaritra anaty lalàmpanorenana ny zo haneho hevitra, saingy ny didy fampiharana no mety mandringa, raha ny fanazavany. Ny lalàna dia natao ho an’ny rehetra ary misy fahefana tokony hanara-maso ny fampiharana izany. Raha ny tolo-kevitra nataona mpanao politika maro teto amin’ny firenena, dia efa maro ny lalàna tokony ho novana teto. Na ny lalàmpanorenana na ny lalàm-pifidianana, dia samy misy lesoka sy fanitsiana goavana, saingy ny fanehoan-kevitra aloha no betsaka fa izay fihainoana na fanatanterahana tsy misy. Sesilany ny fanambarana fa hiteraka korontana sy krizy vaovao raha mbola ny lalàm-pifidianana misy amin’izao fotoana izao no hampiharina amin’ny taona 2018, saingy tsy hita soritra aloha izay finiavana hitady vahaolana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.