Miteraka resabe ny mety hanovan’ny fanjakana HVM ny lalàmpanorenana.
Tsy voafaritry ny lalàna ny fotoana hahafahana manova na manitsy ny lalàmpanorenana anankiray, fa miankina betsaka amin’ny programanasan’ny fanjakana, izay mitondra eo amin’ny firenena iray, raha ny fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna Ranesa Firiana tamina onjam-peo iray. Tsara homarihina fa ny lalàna manan-kery eto Madagasikara amin’izao dia mametraka fa tsy maintsy misy antony goavana vao azo kitihina ny lalàmpanorenana. Na ny filoham-pirenena izay mandray fanapahan-kevitra ao anatin’ny filankevitry ny minisitra na ny Antenimiera amin’ny alalan’ny latsa-bato izay eken’ny 2/3-n’ny mpikambana ao amin’ny Antenimiera no afaka mangataka fanovana na fanitsiana ny lalàmpanorenana. Tsy maintsy eken’ny ¾ amin’ny Antenimiera roa tonta amin’ny alalan’ny fifidianana misaraka nataon’izy ireo ny volavolana fanovana, izay vao azo laniana amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Amin’ny ankapobeny, ny tsirin-kevitra nentina hitadiavana fanovana na fanitsiana lalàmpanorenana iray dia vokatry ny fanatanterahana sy ny fanamorana ny programanasa ho an’ny fampandrosoana, izany hoe tokony hatao ho an’ny tombontsoam-bahoaka, raha ny fanehoan-kevitr’io mpahay lalàna io hatrany. Tetika politika ho enti-manome tombony ny filoha Rajaonarimampianina sy ny antokony no ao ambadik’izao fikasana izao. Ny lalàmpanorenana hatramin’ny Repoblika voalohany dia nisy rafitra mandrakariva tsy napetraka na dia tao anatiny aza. Anisany, ohatra, ny fananganana ny Fitsarana Avo (HCJ). Taty amin’ny Repoblika faha-3, dia tsy tafapetraka hatramin’izao ny fitsinjaram-paritra sy faritany. Eo ny finiavan’ny mpitondra na mpanao politika fa hatramin’izay dia nandringa hatrany ny fampiharana lalàna eto Madagasikara, ary anisan’ny tompondaka ny fanjakana HVM.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.