Politique

Lalŕm-pifidianana vaovao 3 volana ny famolavolana azy


  • Alatsinainy 02 Janoary 2017

Tsy ireo mpisehatra Malagasy irery no nandroso soso-kevitra fanitsiana ny lalŕm-pifidianana eto Madagasikara.

Teo ihany koa mantsy ireo manam-pahaizana manokana avy amin’ny Firenena mikambana, hoy ny filohan’ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante) Rakotomanana Hery. Nitondra ny fomba fijeriny amin’ny fanavaozana tokony hanamboarana ny lalàna mifehy ny fifidianana eto amintsika ireto vahiny manam-pahalalana avy amin’ny sehatra iraisampirenena ireto. Tsy maintsy noraisina rahateo ireo toromarika sy fanamarihana avy amin’ireto farany mialohan’ny fanapahan-kevitra ofisialy, hoy ny lehiben’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena mikirakira ny fifidianana. Ilaina mifanaraka amin’ny tontolo iainana sy ny zava-misy ao aminy ny lalàm-pifidianana Malagasy saingy tsy afa-miala kosa amin’ny fombafomba iraisampirenena, araka ny fanampim-panazavan’ity tompon’andraikitra ity. Maharitra 3 volana moa ny famolavolan’ny vondron-drafitra hotarihan’ny Ceni sy ny primatiora ahitana ny fiadidiana ny Repoblika, ny parlemanta, ny Bianco ary ny Samifin azy io mialohan’ny fankatoavan’ny filan-kevitry ny minisitra sy ireo Antenimiera roa tonta, araka ny vinavina.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT