Tsy mbola tonga eny amin’ny antenimierandoholona hatry ny omaly 12 desambra ny volavolan-dalàna momba ny lalàm-pifidianana avy any amin’ny governemanta, ary tsy mbola am-pelatanan’ireo depiote
eny Tsimbazaza ihany koa kanefa hifarana ny zoma 15 desambra izao ny fotoam-pivorian’ny parlemanta roa tonta. Na amin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana manaraka amin’ny fiandohan’ny volana mey 2018 no hodinihana sy holaniana izy io na hanaovana fivoriana tsy ara-potoana mialohan’izay.Tsapa ho mbola misalasala ny governemanta momba ity volavolan-dalàna iray ity ka io no mbola tsy mampivoaka ihany koa ny datim-pifidianana hatreto.Nihaona tamin’ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao teny amin’ny lapa maitson’Anosikely omaly ny vaomiera mpanara-maso ny fehin-kevitra momba ny tolo-dalàna amin’ny lalàna hifehy ny fifidianana nivoaka avy amin’ny fikaonandohan’ireo antoko politika, hetsika natao teny amin’ny hotely Colbert izay nokarakarain’ny PNUD moa.Mila mipetraka mazava tsara aorian’ny fifampiresahana ka ivohan’ny hevitra metimety kokoa amin’ny rehetra io lalàm-pifidianana iofa tsy atao maimaika, hoy i Jean Louis Rakotoamboa filoha nasionalin’ny Teza anisan’ireo mpandrindra ny dinika teny amin’ny Colbert. Tsy mety raha natao hanomezana tombony an-dRabe na an-dRakoto fotsiny ny lalàm-pifidianana, hoy izy. Efa nisy kosa ny dingana nataon’ny fitondram-panjakana amin’ny resaka fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra, hoy ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao, afaka miresaka tsara , hoy izy saingy tsy maintsy ekena kosa fa misy fitondrana sy rafitra mahefa eto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.