Anjaran’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MPTDN) indray omaly no nanatontosa ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasany amin’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI tetsy Alarobia.
Taorian’io dia nisy ny fifampiresahana (cadre de concertation) indray tamin’ireo mpanao politika teny Nanisana. Efa saika ho isaka herinandro ny CENI tato ho ato no nanao ity fifampiresahana amin’ny mpanao politika ity ary samy manana ny fahitany izany moa ireo mpanao politika na ny efa nandray anjara na ny mbola tsy nandray anjara.
Jean Louis Rakotoamboa (Antoko Teza) : Mila atao mazava tsara aloha ny fitsipi-dalao rehetra raha tiana ny hiditra amina fifidianana milamina sy mangarahara ary eken’ny rehetra.
Tarzan Ndremintsara (antoko Arema) : Tsara ny fisian’ny fifampiresahana satria miainga amin’izay no hahatongavana amin’ny antsoina hoe « inclusivité » ka hahatongavana any amin’ny fankatoavana iraisampirenena. Ny tanjona dia ny hananana olompirenena hifidy satria resy lahatra amin’ny programan’ny kandida. Ilaina ihany koa, noho izany, ny fanabeazana ny olompirenena.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.