Politique

Lalàm-pifidianana Rava ny tsena, hahemotra ny fandinihana


  • Alarobia 21 Martsa 2018

Andinin-dalàna 87 tamin'ireo 247 voasoratra tao anatin’ilay volavolan-dalàna no nasiam-panovana ka ny 50 nahitsy ary ny 37 nofoanana. Raha tamin’ny 10 ora maraina ny fotoana nomena tamin’ny voalohany dia tamin’ny 12 ora sy sasany vao nanomboka ny fotoana omaly teny Tsimbazaza;

 

 niisa 142 ireo solombavambahoaka tonga nanatrika. Nangotraka ny adihevitra ary tapaka fa hahemotra amin`ny fe-potoana manaraka ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana, izany hoe hisy ny famoahan'ny governemanta fivoriana tsy ara-potoana fanintelony ary tao anatin`ny adiny telo mahery no nandinihana azy. Samy nanisa ny mpiara-dia aminy ireo solombavambahoaka na ny vondrona parlemantera HVM izay momba ny fitondrana sy ireo manohitra izay ahitana ny fiarahan'ny MAPAR sy TIM. Ny voalohany miteny hoe ahemory aloha ny adihevitra fandinihana sy fandaniana ity volavolan-dalàna ity, ny faharoa tsy manaiky fa hotohizana ny adihevitra ary hiroso amin'ny fandaniana azy. Rehefa natao ny tsanga-tanàna dia lany tamin'ny isa 70 tamin'ny 68 fa hahemotra amin'ny fotoana manaraka ny fandinihana ilay lalàna raha tokony ho rahampitso no tapitra ny fe-potoana tokony ho nandinihana azy ity. Nilaza ny an-daniny fa tsy hanaiky velively ny fandaniana an`io lalàna mifehy fifidianana io izay hamotika ny hoavin`ny firenena. Fandaniana andro, hoy ny depiote Razanamahasoa Christine satria raharaham-pirenena no hodinihana ary maro ireo lalàna tsy mifanaraka amin`ny lalàmpanorenana izay manamora ny hala-bato. Nanamafy ihany koa ny depiote Lanto Rakotomanga  fa lalàm-pifidianana mety ho an`ny rehetra sy mangarahara ary itokisan`ny rehetra no ilain`ny Malagasy ary tsy misy fandrika. Tsy voavidy vola ihany koa izy ireo satria volam-bahoaka no omena ho an`ny depiote. Ny an-kilany kosa dia nametraka fa mbola maro ireo andinin-dalàna hodinihana ka tsy tokony ho maika amin`izany.  Raha nanontany kosa ny filoha lefitra, Atoa Mahazoasy Freddie mahakasika an`ilay vola mihodina an`ireo depiote mpanohitra dia nilaza fa depiote voafidy ara-demokratika tsy manao an’izany fa paik`ady entina handotoana ny fitondrana misy fotsiny izany. Aorian’ny fetin’ny paska mihitsy moa izy vao ho avy indray ny fivoriana tsy ara-potoana faha telo ka asa indray izay hitranga eo.Hita somary kivikivy ihany moa ny praiminisitra omaly teny amin’ny antenimieram-pirenena rehefa nahafantatra fa tsy voadinika sy tsy lany ilay volavolan-dalana fehizoro miisa 3 momba ny fifidianana.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT