Politique

Lalŕm-pifidianana Nitondran’ny CST fanitsiana


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Nankatoavina ny sabotsy 18 febroary 2012 teny anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita saingy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalŕna fehizoro laharana 003/2012 tamin’ny 25 janoary 2012 mahakasika ny lalŕm-pifidianana.

 81 tamin’ireo mpikambana amin’ity andrimpanjakana ity izay tonga nivory no nankato ilay volavolan-dalàna nasiam-panitsiana, 05 nitsipaka ary 03 kosa tsy nilaza ny heviny. Koa satria moa tsy tratra ny fetr’isa izay takian’ny lalàna amin’ny handraisana fanapahan-kevitra ny zoma 17 febroary 2012 lasa teo, izay fotoana nandinihana voalohany ity volavolan-dalàna ity teo amin’ny fivoriana azon’ny rehetra natrehina, dia io nahemotra io. Miisa enina ireo fanitsiana nentin’ireo mpikambana amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita, dia ny tao amin’ny andininy faha-64, 68, 89, 130, 168 ary 170.

Mizara fito lehibe ity volavolan-dalàna ity ary ahitana andininy 174. Misy ireo fanavaozana sy ny fanatsarana ny volavolan-dalàna izay mahakasika indrindra ny Vaomiera Mahaleotena hisahana ny fifidianana, izay hiandraikitra ny fandaminana sy ny fanatontosana ny fifidianana, ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny fotoanan’ny main-tany, ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana, ny fampandraisan’anjara ny solontenan’ny kandida amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny Vaomiera misahana ny fifidianana sy ny sisa hafa. Nofaritana anatin’ity volavolan-dalàna ity ihany koa ny fananganana ny “Cour Electorale Spéciale” izay hisahana ny famoahana ny voka-pifidianana mandritra ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena sy ho solombavambahoaka voalohany amin’ny Repoblika fahefatra. Antoka ho amin’ny isian’ny fifidianana madio sy mangarahara ity volavolan-dalàna fehizoro ity. Araka ny lalàna moa dia haverina hodinihina fanindroany eny amin’ny Kongresin’ny Tetezamita ity volavolan-dalàna nasiam-panitsiana ity.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT