Politique

Lalàm-pifidianana feno kajy politika Mampitandrina ny governemanta ny TIM


  • Zoma 08 Desambra 2017

Mikononkonona zavatra hafahafa ny fitondram-panjakana matoa ela fikenona amin’ny fandrafetana ny lalàm-pifidianana tahaka an’io. Izay no tenin’i Rolland Ravatomanga avy ao amin’ny TIM izay nandray anjara mavitrika tamin’ilay fifanakalozan-kevitra momba ny soatoavina sy ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny tontolo politika nokarakarain’ny PNUD sy ny FES teny amin’ny hotel Colbert.

Tsy hangina ary tsy hanaiky lembenana amin’ny didin’ny be sandry kasain’ny fitondram-panjakana atao amin’io lalàna mifehy ny fifidianana io ny antoko Tiako i Madagasikara, hoy i Rolland Ravatomanga. Mampanahy, hoy izy sao lalàna metimety amin’ny filan’ny mpitondra no hivoaka eo, tsy azo ekena izany ary tena lavinay TIM marindrano araka ny teniny. Fanoherana ny fanaovana letrezana amin’ny fampandaniana lalàm-pifidianana metimety amin’ny mpitondra ary mety hanilihana ny hafa no anton’ny nahatongavan’ireo antoko politika am-polony niatrika ny dinika teny amin’ny Hotely Colbert. Tsy manaiky ary tsy hanaiky an’izany izy ireo fa mitaky fifidianana madio sy mangarahara, tsy misy fanilikilihana ary fehezina lalàna mazava tsara tsy misy fitanilana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT