Raha tsy misy ny fiovana dia hiatrika fivoriana tsy ara-potoana ireo solombavambahoaka sy loholon’i Madagasikara manomboka amin’ny talata 9 janoary 2018.
Handinika sy handany ireo fehezan-dalàna hifehy ny fifidianana ho avy no ho antom-pivoriana, ankoatra ireo vary mangatsiaka tsy tontosa nandritra ny fe-potoam-pivoriana ara-potoana faharoa nifarana ny 15 desambra lasa teo. Araka ny voalazan’ny andininy faha-76 amin’ny lalàmpanorenana dia tsy mihoatra ny 12 andro ny faharetan’ny fivoriana tsy ara-potoana. Mifarana avy hatrany ny fivoriana rehefa tapitra ny lahadinika faritana amin’ny didim-panjakana. Raha tsy vita ao anatin’io fe-potoana io ny fandaniana ilay fehezan-dalàna hifehy ny fifidianana ho avy dia azo antoka fa hisy fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana fanampiny. Tsy mbola tonga eny Tsimbazaza aloha hatreto ny volavola hodinihina mandritra io fivoriana tsy ara-potoana io. Nisesy kosa nialoha izay ny fakan-kevitra ataon’ny praiminisitra Solonandrasana Olivier amin’ireo vondrona politika eto Madagasikara, mikasika ny hikitihana andininy sasany amin’ny lalàmpanorenana. Fakan-kevitra izay mahabe resaka, ary koa miteraka ahiahy ho an’ny maro sao tetika hanaovana izay hifikirana amin’ny fitondrana na koa tsy hanemorana ny fifidianana. Ny fahatongavan’ny volavolan’ny fehezan-dalàna hifehy ny fifidianana eny Tsimbazaza no vao mainka hampafana na hampitony ny adihevitra politika eto Madagasikara.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.