Politique

Lalŕm-pamoretana ny serasera Any amin’ny HCC ny baolina


  • Sabotsy 16 Jolay 2016

Nisaotra ireo rehetra nanohana azy ny mpanao gazety sy ny vondron’ireo tompon’orinasan-tserasera tamin’ny fanambarana iombonana navoakan’izy ireo omaly ary manameloka ny fandaniana farany an’ilay volavolan-dalŕna mifehy ny fifandraisana nataon’ireo antenimiera roa,

  eny fa na dia nisesisesy aza ireo antso hisian’ny famerenana ny fandinihana vaovao indray an’ireo rijanteny voarakitra ao anatin’io fehezan-dalàna io. Nokianian’izy ireo mafy ihany koa ny fandaniana an’ilay volavolan-dalàna nataon’ireo depiote 18 amin’ny 151, izay manao tsinontsinona mihitsy ny lanjan’ny fahalalahana sy ny zo fototra faritan’ny Lalàm-panorenan’i Madagasikara sy ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona. Tsy mifarana akory ny tolona fa vao miha aza hihamafy sy hitohy ny hetsika efa natao ary atao ny fomba rehetra azo tanterahana mba hampandresena ny soatoavina iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona sy ireo fitsipika fototra demokratika. Miantso an’ireo lehiben’andrimpanjakana, ireo mpikambana amin’ny antenimiera, ireo solontenan’ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, izy ireo mba hampahafantatra amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa tokony hanambara ny tsy mampanankery an’io fehezan-dalàna io ny HCC satria mamono tanteraka an’ireo andininy faha-10 sy 11 amin’ny lalàna fototra ilay izy. Andrasana fatratra noho izany izay hambaran’ny HCC momba ilay lalam-pamoretana ny asa fanaovan-gazety manokana sy ny tontolon’ny fifandraisana amin’ny ankapobeny izay efa melohin’ny rehetra na eto an-toerana na any ivelany.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT