Politique

Lalaina Rabezanahary « Aleo haneho ny heviny ny vahoaka tompon’ny fahefana »


  • Alatsinainy 18 Septambra 2017

Tsy afa-misaraka amin’ny fiainam-pirenena ny sehatry ny fanabeazana. Fanavaozana goavana misongadina eto amin’ny firenena moa ankehitriny ny fanavaozana ny rafi-pampianarana.

Matoam-baovao ihany koa anefa ny fiatrehan’ny vahoaka Malagasy ny fifidianana amin’ny taona 2018. Nisy ny resadresaka nifanaovana tamin’ny mpitantana ny ivontoerana AIPS (Analamanga Institute of Paramedical Sciences) sady mpanolotsaina zandriny ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra Lalaina Rabezanahary.

Tia Tanindrazana (TT) : Ahoana ny fiatrehan’ny «Les Rossignols» ny rafi-pampianarana vaovao 2017-2018 ?

Lalaina Rabezanahary (LR) : Lesoka ny tsy fandraisana ny soso-kevitra avy amin’ny sekoly tsy miankina toy ny fikitihana tanteraka ny tetiandro fampianarana manomboka amin’ny taona 2020. Miteraka fatiantoka lehibe eo amin’ny lafiny fandraharahana sy fahasahiranana eo amin’ny fandaminana ny taom-pianarana, ohatra, ny fanovana tampoka azy io. Manaraka ny toromariky ny fanjakana anefa ny sekoly saingy manana ny programan’ny sekoly manokana tahaka ny fampianarana ireo fiteny vahiny frantsay, anglisy ary espaniola na koa ny taranja informatika sy ny lomano.

TT : Nisafidy ny lalam-piofanana «paramédical» hatramin’ny taona 2009 ihany koa ny vondrona, azo fantarina ve ny antony ?

LR : Tsy vaovao hoan’ny mpanabe eto amin’ny vondrona ny sehatry ny fahasalamana no tsapa ihany koa ny havitsian’ireo ankizy milomano eo amin’ity tontolon’ny fikirakirana ny fahasalamana ity eto Madagasikara. Mampiavaka ny ivon-toerana AIPS rahateo ny filofosana kokoa eo amin’ny lafiny fampiharana sy ny fandrisiana ny mpianatra hiatrika ny zava-misy ara-pahasalamana eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

TT : Eo amin’ny resaka fiainam-pirenena indray, ny fahitanao ny fitsanganan’ny CFM (Conseil du Fampihavanana Malagasy) ?

LR : Hetaheta iombonan’ny vahoaka Malagasy rehetra ny fampihavanam-pirenena tena izy. Tokony hahitsy tsy mitongilana na mitanila amin’ny firehana politika eo amin’ny fomba fiasa izy ireo mpikambana 33 mianadahy mianaka mpampihavana. Tena sarotra ilay iraka fampihavanana satria efa hita taratra aty am-panombohana sahady ny tsy fahaleovantena amin’ny fanapahan-kevitra horaisiny ny CFM izay ahiana hiteraka korontana aoriana kely. Singa fototra hitondra fampandrosoana eto Madagasikara anefa io fanajana ny fahaleovantenan’ireo fahefana sy rafitra mijoro toy ny tontolon’ny fitsarana sy ny Vaomiera mahaleotena mikirakira ny fifidianana io. 

TT : Hiroso amin’ny fifidianana isika ny taona 2018, ny hevitrao ?

LR : Mba tsy hisy ny sakantsakana sy fanilikilihana fa aleo hirotsaka malalaka amin’ny fifidianana ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka. Tsara kokoa ny mamerina ny fahefana amin’ny vahoaka mialoha ny fikitihana ny Lalàmpanorenana mialoha ny fifidianana. Tandrametaka sady mety ho kajy politika ihany koa ny fanovana na fanamboarana io lalàna fototra ketrehin’ny fanjakana io. Laham-pahamehana rahateo ny fandaminana ny tontolo politika sy ny fanalana ny fahasahiranam-bahoaka ao anatin’ny fahantrana lalim-paka.

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT