Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olompirenena manodidina ny Frankôfônia amin’izao fampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony faha-16 izao.
“Isika ve no mandray an-tendrony sa sandohina fotsiny ny maha firenena frankônina an’i Madagasikara”, hoy ny zokiolona sady filohan’ny antoko Leader Fanilo, Faritany Antananarivo, Lalaina Berthnès. Soatoavin’ny Fankôfônia ny fanajana ny kolontsaina sy ny fahalalahana, ka ao anatin’izany ny fahalalahana maneho hevitra, fahalalahana miteny, fahalalahana mivory ary ny fanajana ny demokrasia amin’ny maha tany manana sata Repoblikanina an’i Madagasikara. Hafahafa anefa ny zava-miseho eto amintsika ankehitriny, hoy ity filohan’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo teo aloha ity, fa raràna avokoa ireo fahalalahana ireo, afenimpenina amin’ny hoe : fanajana vahiny. “Izany ve tsy fanosihosena ny soatoavin’ny Frankôfônia ?”, hoy hatrany i Lalaina Berthnès.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.