Politique

Lalaina Berthnčs «Maloto eo anatrehan’ny Vahoaka ny antoko politika»


  • Alatsinainy 09 Janoary 2012

Ny antoko amin’izao fotoana dia efa maloto daholo eo anatrehan’ny vahoaka malagasy satria samy nandray anjara amin’izao raharaha maloto izao daholo ny ankamaroany.

 . Izaho tsy te hiresaka amin’ny anaran’ny antoko satria namohehatra ny firenena izy ireo hatramin’izao, hoy Atoa Lalaina Berthnès, filohan’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo teo aloha. Matoky ny vahoakan’Antananarivo efa nametraka anay in-telo miantoana ho raiamandrenin’ny tanàna aho, hoy izy, fa miray saina amiko izy ireo ary dia hiaraka hanamboatra ny tantaran’ny firenena isika. Tazana teny Ivandry (Villa Elisabeh) ny tenany omaly ary nanana ny fijeriny sy fihainoany ny kabary nataon’ny Profesora Zafy Albert. «Rehefa namaly ny fiarahaban’ny vahoaka tonga nanotrona azy ny Pr Zafy Albert, dia mazava ny fandraisany sy fijeriny ny zava-misy eto amin’ny firenentsika. Marina tokoa fa ny soatoavina malagasy dia tsy manaiky an’izany olona mitonon-tena irery hoe : manomboka androany dia izaho no manao an’izao… izaho no «rôle» amin’ity… izaho no «Zorro».

Tsy fomba malagasy izany fa ny antsika dia iarahan’ny rehetra mifampidinika, ny tapa-kevitry ny maro no mametraka izay tiany rehetra rehetra hapetraka. Hatrany amin’ny fotony mihitsy no tsy netezan’ity tantara ity satria izany no nitranga teny amin’ny 13 mey raha nahatadidy isika : olona anankiray no nilaza teny fa manomboka androany dia izaho no mitarika ity raharaha ity. Ka ny tenin’ny Profesora dia mazava hoe : tsy misy an’izany samboady izany atao amin’ny olona tsy fidiam-bahoaka, tsy misy sarin’olona tsy nofidiam-bahoaka izany apetraka amin’ny biraom-panjakana na tranom-bahoaka. Nampieritreritra sy nanolotra ny heviny moa ny Profesora hoe : manomboka androany izany dia aoka samy handinika daholo ary samy handray andraikitra isika rehetra ary tokony hifampidinidinika amin’izay rehefa samy tonga saina ny amin’ny hamoahana ny firenena amin’izao tsy fetezana izao fa samy tompon’andraikitra daholo isika eto izao. Tsy voatery hoe «conférence au sommet» izany fa fifampidinihana samy Malagasy fotsiny tsotra izao», hoy i Lalaina Berthnès.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT