Politique

Lalaina Berthnès “Hampidi-kizo mpandimby i Rajaonarimampianina”


  • Sabotsy 21 Oktobra 2017

Vaovao mafana eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara amin’izao ny fitsanganan’ny rafitra vaovao misahana ny fampihavanam-pirenena na CFM sy ny fikasan’ny filoham-pirenena,

Hery Rajaonarimampianina, mafy hikitika ny lalàmpanorenana. Na tsy  salama aza aho dia tsy hay ny tsy hiteny amin’izao raharaham-pirenena izao, hoy ny filohan’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo teo aloha, Lalaina Berthnès. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny tapaka sy naman’ny filoha teo aloha Zafy Albert ary satry ny ho tonga tany Ambilobe fa ny tsy fahasalamana no nanakana. Andro vitsy nialoha ny hahalasanany ny profesora Zafy no mbola nilaza fa tsy izy io CFM io, hoy hatrany ity manampahefana teo aloha ity satria raha ny foto-kevitry ny fampihavanana napetrakay tamin’ny taona 2000 dia tsy mitombina hoe teo amin’ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2009 ihany no tokony ho olona resahana. Ahoana no hivoahan’ny marina mikasika ireo fahavoazana hatrizay ? Mikasika ny lalàmpanorenana kosa dia samy tsy nisy nanaiky io avokoa tamin’ny taona 2010 na ny Malagasy na ny vondrona iraisam-pirenena nefa dia nanery ihany ny avy any dilambato amin’ny hanatanterahana fifidianana satria maika hifanao sonia amina filoha lany tamim-pomba demokratika. Ny tombontsoany no nahamaika azy dia voatery nanaiky koa ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) taty aoriana. Tsy anjaran’ny olona hisara-panambadiana ka handao ny tokantranony mihitsy no mbola hanova ny lalàna ao an-tokantrano satria hampidi-kizo mpandimby izany, hoy hatrany i Lalaina Berthnèss.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT