Resy lahatra i Lahiniriko Jean ankehitriny fa dia vola very sy fandaniam-potoana fotsiny ny fanaovana fifidianana tsy ifampierana.
Naneho hevitra ity filohan’ny antoko PSDUM, sady filohan’ny vondrona UDR-C ity omaly taorian’ny fandanian’ny tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny volavolan-dalàna fehizoro laharana faha 015/2012 tamin’ny 01 jona 2012 mikasika ny fifidianana Filohan’ny Repoblika fahefatra. Tamin’izany no nilazany fa tsy misy voafidim-bahoaka ny mpitondra ankehitriny, noho izany dia tokony hifampierana ny fifidianana hatao fa vola very fotsiny ny ankoatra izay, ary tsy mbola misy famatsiam-bola rahateo. Ho an’ny UDR-C tarihiny dia fifidianana Ben’ny tanàna no tokony hatao, satria aferan’ny samy Gasy io fa tsy misy idiran’ny iraisam-pirenena. Na izany aza dia nanipika mazava ny tenany fa raha hatao io fifidianana io dia tokony ho tenieranan’ny rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.