Politique

Lahiniriko Jean Efa tamin’ny 2005 no niketrika ny fanonganana an-dRavalo


  • Alatsinainy 13 Febroary 2012

Politika maloto ary mpanao politika maloto no mamotika ny firenena, hoy i Zafilahy Stanislas.

 Tamin’iny herinandro iny no namakiany bantsilana ny ketrika ataon’i Frantsa miaraka amin’ny pastera Mailhol. Nialoha izany anefa, araka ny fanazavan’i Zafilahy dia efa nikononkonona fanonganana an-dRavalomanana koa i Lahiniriko Jean, izay filohan’ny antenimieram-pirenena tamin’ny fotoan’androny ary mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady filohan’ny UDR-Fanovana amin’izao fotoana. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’i Zafilahy, dia nampanantsoin’i Lahiniriko Jean ny tenany, ny taona 2005, niaraka tamina Parlemantera 5 hafa. Tamin’izany no nanambaran’i Lahiniriko Jean, filohan’ny Antenimiera tamin’izany, fa “tsy maintsy esorina Ravalomanana ka horaisin’ireo tanindrana ny fanjakana”.

Nanambara i Lahiniriko tamin’izany, hoy ihany i Zafilahy Stanislas fa “ireo Merina manodidina ny filoha no tena mitondra ny baolina fa dia hatao fitaovana fotsiny ireo tanindrana”. Vola avy amin’i Frantsa no hanatanterahana ny hetsika tamin’izany, araka ny fanazavan’i Lahiniriko tamin’i Zafilahy ka tokony samy ho nikirakira 5 miliara Iraimbilanja ny tsirairay isan-taona. Tsy nanaiky izany anefa ireo Parlemantera 4 niara-dia tamin’i Zafilahy Stanislas fa nanambatra ny heriny, nanao izay nanapoahana an’i Lahiniriko Jean ka dia iny izy niongana teo amin’ny toerana maha filohan’ny Antenimiera iny. Nampitandrina ireo misionera vahiny be dia be manomboka tonga eto Madagasikara koa ny tenany mba ho tena ny fivavahana no hifantohan’izy ireo satria raha ny vaovao ren’izy ireo dia mitady hirotsaka amin’ny sehatra politika koa ireo vahiny ireo. Ampy izay ny fanaovana politika maloto eto, hoy i Zafilahy Stanislas. Tsy maintsy tafapetrakay eto ny rariny sy ny marina, hoy ihany izy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT