Mbola miverina ihany ny fanontaniana napetraka teto omaly hoe : f'angaha moa manana fahefana hanasonia fifanaraham-piaraha-miasa lavitr'ezaka indray ny fitondrana tetezamita ? Sa efa tsy manan-kery indray ilay tondrozotra ?
Tsy hitsangantsangana mantsy na hiala sasatra no anton-dian'ny filohan'ny FAT Andry Rajoelina any Frantsa manomboka amin'ity anio ity fa dia misy dikany goavana tokoa. Raha tsy misy ny fiovana dia hihaona amin'ny filoha Frantsay Nicolas Sarkozy ny tenany anio hariva, ary hisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta aorian'izay. Voalaza moa fa hoe asa fampandrosoana izy io, izany hoe hisy ny tetikasa dia ho avy ny famatsiana ara-bola avy amin'ny Frantsay. Ny tsy fantatra fotsiny dia ny hoe : mandritra izao tetezamita izao ve no ho azo io fanampiana avy any Frantsa io ? Sa rehefa tafajoro tanteraka ny Repoblika faha-4, izany hoe aorian'ny fifidianana filoham-pirenena ? Hatraiza ny faharetan'ilay fiaraha-miasa ? Fanampiana antsika hiala amin'ny krizy ve sa haharitra taona maro any aoriana any ? Inona no votoatiny ary sehatra tahaka ny ahoana no hiantefany ? Mila fanazavana matotra avy amin'ny filohan'ny tetezamita sy ny governemanta izany rehetra izany mba tsy hisian'ny ahiahy tsy hihavanana.
Raha ny tokony ho izy mantsy, dia ny fametrahana ny fitoniana sy ny filaminana ary ny fikarakarana ny fifidianana no andraikitry ny fitondrana tetezamita. Tsy maintsy hisy ny fanampiana ara-bola sy ara-pitaovana ho azon'i Madagasikara avy any ivelany, saingy mifantoka amin'ny ampahany betsaka amin'ny fikarakarana sy fanatanterahana ny fifidianana izany. Ny governemanta vaovao aorian'ny fifidianana no hifampiraharaha indray amin'ny mpamatsy vola avy any ivelany mba hamerenana ny fiaraha-miasa. Ary ao amin'ilay drafitra fampiharana ny tondrozotra dia mazava tsara ny voasoratra fa aorian'ny fijoroan'ny rafitra tetezamita sy ny fahavitan'ny fifidianana marina madio sy mangarahara ary eken'ny rehetra, dia hikarakara ny antsoina hoe "Conférence des donateurs" mba handinihana ny fomba hanarenana an'i Madagasikara ny biraom-pifandraisan'ny SADC eto Antananarivo.
Mazava izany tetiandro izany fa rehefa mandray fahefana ny filohan'ny Repoblika faha-4, voatendry ny praiminisitra sy ny minisitra rehetra vao hisy ny fivorian'ireo mpanohana ara-bola rehetra handinihana izay fomba hanampiana an'i Madagasikara. Tsy misy resaka famatsiam-bola avy any ivelany miverina izany mandritra ny tetezamita, fanohizana ny asa efa natomboka angamba no misy, ary na misy aza dia tena vola kely no mivoaka ao. Fampandriana adrisa, araka izany, ny filazana fa ho azo ny fankatoavana iraisam-pirenena ka ho avy ny vola. Ka fiaraha-miasa inona izany ity ho resahan'i Andry Rajoelina sy Nicolas Sarkozy anio ity ? Sa ve efa manomana dieny izao ny kianja hidirany eto ny Frantsay rehefa milamina ny raharaha rehetra ? Amin’izay dia mandry ivohon'ny vato izy ireo amin'ny tombontsoa ho azony eto raha toa ka i Andry Nirina Rajoelina no voafidy ho filoha. Kajy politika daholo izany rehetra izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.