Politique

Krizy tsy mety vita Mivaky koa ny foloalindahy


  • Alakamisy 30 Jona 2016

Tsy sitrana tsara akory ny ratra eo anivon’ny foloalindahy noho ireo krizy politika nifandimby (2002 sy 2009) dia niampy indray ankehitriny noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra mandamin-draharaha.

 Endrika iray nisehoan’izany ny siotsioka sy horakoraka nahazo ny filoham-pirenena nandritra ny famindram-pahefana teny amin’ny BANI Ivato ny 12 mey 2016. Ankehitriny dia re ihany koa, araka ny angom-baovao natao, fa manomboka mizara ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ka misy ireo voalaza fa tsy mankasitraka ny haza lambo atao amin’ny senatera Lylison izay kolonely zandary, fa eo kosa ireo manohana ny fihetsiky ny fitondram-panjakana. Manampy izay dia zava-doza ny fahafantarana fa nisy ny grenady nivoaka avy amina toby miaramila, roa herinandro lasa izay. Efa tsy misy fanaraha-maso intsony ve izany ny fivezivezen’ny fitaovam-piadiana sa ireo miaramila mihitsy no tsy voafehy intsony fa efa samy manao izay tiany ? Tena mampatahotra izao tranga izao satria efa endrika fivakisan’ny foloalindahy mihitsy, hoy ny manamboninahitra iray efa nitazona andraikitra ambony teto amin’ny firenena. Ankoatr’io fahasorenana amin’ny mpitondra fanjakana io dia maro ihany koa ny miaramila tezitra amin’ny lehiben’izy ireo izay hita mibaribary be fa misolelaka amin’ny mpitondra fotsiny sy miaro tsotra izao ny sezan’izy ireo. Farany dia re koa izao fa ny zandary izay tena maro an’isa miampy miaramila no mandray anjara mivantana ao anatin’ny Emmo reg ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra fa manomboka tsy manaiky miditra ao anatin’io intsony ny polisim-pirenena fa mandeha amin’ny tenany manokana. Mety azo hamintinana ny fisian’ny gaboraraka amin’ny fitandroana ny filaminana ireo tranga nambara tetsy ambony ireo satria ny mpitandro ny filaminana mihitsy izany no efa manana olana anatiny.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT