Politique

Krizy tany Côte d’Ivoire Ny niainan’ireo Malagasy azy tany


  • Talata 30 Aogositra 2011

Manodidina ny 300 eo ho eo ireo Malagasy voasoratra anarana fa mipetraka ao Abidjan, renivohitr’i Côte d’Ivoire. Iray amin’ireny ny Dr Andriatsimilomananarivo Solomon mivady, mpitandrina eo anivon’ny Fiangonana Protestanta FPMA any an-toerana. Niaina ireny krizy goavana tany Côte d’Ivoire ireny izy mivady ireto ka manana ny holazainy. Milaza ny fahitany ny toe-draharaha eto Madagasikara koa ireto olom-pirenena malagasy ireto.

Tia Tanindrazana (TT) : Amin’ny haino amanjery iraisam-pirenena sy ny Internet no nanarahana ny zava-nitranga tany Côte d’Ivoire, ianareo anefa tany, ahoana no niainanareo ny krizy tany Dokotera ?

Dr Andriatsimilomananarivo Solomon (Dr Salomon) : Rehefa tsy nifanaraka ny mpifanandrina roa, Laurent Gbagbo sy Alassane Ouatara, taorian’ny fivoahan’ny valim-pifidianana ny 1 desambra 2010 ka nisiana voka-pifidianana roa dia vaky ny ady. Nizara roa koa ny tafika, lasa mpifanandrina. Ny 4 aprily 2011 no nanomboka ny tena ady. Teo anelanelan’izay fotoana izay dia nanantena ny hisiana fifampiraharahana ny rehetra. Ny alin’ny 4 aprily dia tsy natory izahay. Nisy ny daroka baomba, nisidina ambany dia ambany ny helikoptera ary ny vahoaka Ivoarianina dia zary lasa tsy tia helikoptera mihitsy hatramin’izao. Nisy karazam-peo tena tsy mbola henoko hatramin’izay niainako mihitsy tamin’io fotoana io. Ireo toby miaramila moa no tena lasibatra tamin’ireny. 1km miala amina toby miaramila iray anefa no misy anay. Mafy ny zavatra niainana, tena mafy. Tsy nisy tsena, tsy nisy fanafody, tsy nisy sakafo. Tany amin’ny 7 km miala an’i Abidjan vao nisy tanàna nahitana sakafo sy tsena. Saika nirohotra nankany avokoa ny olona satria io toerana io no tsy voakitika mihitsy. Trano sy sakafo no tena notadiavina tany ary dia tena feno olona izany toerana izany. Nisy fotoana zary efa lasa andavanandro ny fahitana razana miampatra etsy sy eroa. Roatokombolana teo no tena sarotra be ny niainana tany. Nisy fotoana ny tafi-panjakana, izany hoe ny tafik’i Laurent Gbagbo, voatery tsy maintsy nametraka fitaovam-piadiana dia nangataka ny hiarovana ny ain’ny filoha. Rehefa voasambotra i Gbagbo vao nangingina ny tanàna.

 

TT : Nisy fanampiana ve noraisinareo avy amin’ny fanjakana ? Nanampy anareo koa ve ny fanjakana any an-toerana ?

Dr Solomon : Ny zava-misy any dia toy ny tany tsy misy fanjakana. Solontenam-panjakana izay no tena nanampy anay. Tsy manana Consul manko isika any fa manana olona manao ny asan’ny Consul ary dia nifandray mivantana amin’ny Consul Malagasy any Dakar.

 

TT : Ahoana kosa ny fahitanao ny zava-misy eto amintsika ?

Dr Solomon : Misy tantara iraisana, samy aty Afrika rahateo na isika na ny Ivoarianina. Isika rehetra samy mahalala hoe inona no tena olana eto ? Tokony ho io no hitadiavana alaolana raha tena misy ny fitiavan-tanindrazana. Ny zava-misy anefa dia tsy jerentsika ny tena olana. Ny Malagasy samy Malagasy anefa tokony hiaraka hiadihevitra satria ny Malagasy samy milaza ho tia an’i Madagasikara. Rehefa misy ady anie ka am-polony taona aty aoriana mbola hita foana ny vokany ka tsy azo atao vonjy tavanandro e ! Misy vahiny iray izay niteny hoe mora ny manomboka ady saingy sarotra ny mamarana izany. Amin’ny maha mpino ahy sy maha mpitandrina ahy dia fanontaniana miverimberina ato an-tsaiko mandrakariva ny hoe ahoana ny hijoroantsika amin’ny Fahamarinana, ny hijoroana vavolombelona amin’izay fahamarinana izay ?

 

TT : Misy ireo milaza fa raha izao krizy eto amintsika izao no mitohy dia sanatria hitovy amin’ny hiafaran’i Côte d’Ivoire i Madagasikara. Ahoana ny fahitanao izay ?

Dr Solomon : Tsy dia mitombina loatra aloha izany, saingy hakana lesona ny zavatra toy ireny. Raha mbola azo atao ny fifampiraharahana dia aleo atao foana hisorohana ny toe-javatra mety hitranga.

 

Nangonin’i Soa

 

Sary : Dr Solomon Andriatsimilomananarivo mivady, mandalo eto an-tanindrazana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT