Politique

Krizy tampoka mahazo ny firenena Fanina tanteraka ny fitondrana


  • Alarobia 06 Febroary 2019

Nafampana ny raharaham-pirenena nialoha ny nilazan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny 8 janoary fa i Andry Rajoelina no lany ho filoham-pirenena.

 Ny fahendren’i Marc Ravalomanana no nampilamina ny tany sy ny fanjakana. Vao nandray fahefana anefa i Andry Rajoelina dia niseho ny loza mahatsiravina namoizana ain’olona am-polony teny Ambanin’Ampamarinana ny takarivan’ny 19 janoary. Nitohy tamin’ny loza samihafa nateraky ny andro ratsy ka lasibatra ny tany Antsiranana, Mahajanga, Toliara,… Tapaka hatramin’ny lalana any Avaratry ny Nosy, izay tsidihin’ny filoha amin’izao. Vao ny faran’ny herinandro teo indray no nisehoan’ny loza mahatsiravina namoizana ain’olona teny Ampamarinana. Teo vao tena nikoropaka ny fanjakana amin’ny fitadiavana vahaolana sy nanala ny mponina ahiana ho mbola lasibatry ny loza izay tsy maintsy miala hatramin’ny rahampitso 7 febroary. Mandripaka ny valan’aretina kitrotro saika manerana Nosy, ary mahatratra hatrany amin’ny 86 no efa namoy ny ainy. Nivadika ho endrika krizy tampoka tsy maintsy vahan’ny fanjakana ireny olana ara-tsosialy samihafa ireny. Tsikaritra anefa fa tena mbola nifantoka kokoa tamin’ny kajikajy politikany ny fitondrana Rajoelina hanamafisana orina ny fahefany ka notapohan’ny loza. Azo ny fahefana tsy hita pesimpesinina amin’ny hahafahan-dRajoelina manao ny asan’ny fahefana mpanao lalàna dia ny antenimieram-pirenena. Fanalavana ny fe-potoam-piasan’io andrim-panjakana io no noheverin’ny mpanao politika sy olom-pirenena sasany satria izay no mety kokoa mba hisian’ny fifandanjam-pahefana, saingy tsy nirosoana. Na feno aza ny fahefan’ilay filoha hanao zavatra, dia tsapa sy tsikaritra ho sahirana tanteraka ny fanjakana amin’izao toe-draharaha miendrika krizy sy sedra ho azy ireo izao. Zary miverina ny politika mirona kokoa amin’ny vahaolana madinidinika tsy maharitra, toy ny fizaran-javatra. Toa tsapa sahady aty am-piandohana fa sarotsarotra ny lalana hizoran’ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ny programa ankapoben’ny fanjakana na ny PGE, izay somary nofintimpitinina ihany. Mbola baraingo hatramin’izao ny hoenti-manana na ny vola amin’ny fanatanterahana ny PGE sy ny IEM. Tsiahivina hatrany fa tamin’ny 16 desambra 2018 nisian’ny adihevitra momba ny loharanom-bola, dia tsy nanan-kavaly firy i Andry Rajoelina. Mbola hivarotra tanindrazana, araka ilay nambarany tamin’ny 3 novambra 2018 hoe “mivarotra 100ha” ohatra, dia hahafaha-manao zavatra ve hahafahana manatanteraka tetikasa ? Ao anatin’ny fotoana tena mora ho an’ny fanjakana amin’ny fifanarahana maloto samihafa izao fahefana lehibe eo am-pelatanan-dRajoelina izao ary tsy misy antenimieram-pirenena hanara-maso izao. Asa izay hiseho fa mbola lava ny 5 taona hiasany hahafahana mitsara azy. Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa !

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT