Politique

Krizy politika Namela takaitra indray ny hery famoretan’ny FAT


  • Zoma 06 Janoary 2012

Ny 20 mey 2010, tamin’ny raharaha FIGN teny Fort Duchesne no nahavoasambotra an’i Andriajanarivo Nalisoa Sitraka.

 Teny Antanimora no namonjana azy ary noho ny aretina nahazo azy dia voatery nitsabo tena ivelan’ny fonja ny tenany. Araka ny fanazavan’ireo akaiky azy dia vokatry ny ratra sy takaitra noho ny vono natao azy nandritra ny fisamborana nitohy tamin’ny famotorana no nitarika izao fahafatesany izao. Tapaka manko ny tongotr’ity diakona ity, nisy fery be ihany koa ny lohany ary dia bongo maso sady mena izy noho ny fiangonan’ny ra tao amin’ny masony. Tsy mbola misy isa mazava hatreto hoe firy marina ireo namoy ny ainy noho ny resaka politika nanomboka ny taona 2009 ka hatramin’izao, fa raha ny tombana dia tsy latsaky ny 20 izy ireo no maty vokatry ny fikasihan-tanana, tifitra basy, tarazon’ny lakrimozena sy ny maro hafa tsy voatanisa nataon’ny hery famoretan’ny FAT. Tsy voaisa ao anatin’ireo moa ireo namoy ny ainy vokatry ny krizy toy ny hoe hanoanana sy fahantrana. Hatramin’izao dia tsy vitsy ihany koa ireo mbola tsaboina sy miady amin’ny fahafatesana noho ireo herisetra mihatra aman’aina noho ny resaka politika ihany, anisan’ireny ny kolonely Charles Andrianasoavina sy ny kolonely Coutiti, izay nanamarika ny vaovao hatramin’ny faramparan’ny taona 2011 iny.

Misy sivily iray hafa koa marary any amin’ny hopitaly. Araka ny fanazavan’ireo fianakaviana dia mandoa lakrimozena ity marary ity. Manoloana ireo rehetra ireo raha sokajian’ireo fikambanana sy firenena vahiny ho faritra mena amin’ny fiarovana ny zon’olombelona i Madagasikara na dia midradradradra aza ny FAT fa manaja izany zo maha-olona izany. Araka ny vaovao ihany, dia ny ankamaroan’ireo gadra politika, na sivily na miaramila ka marary dia tsy nahazo navoaka ny fonja mba hitsabo tena. Ny dosien’izy ireo koa, raha ny fanazavana ihany dia any amin’ny ministeran’ny fitsarana. Manoloana izany indrindra dia mitaky ny hanalana amin’ny toerany ny minisitry ny fitsarana ny fianakavian’ireo voafonja, manao antso avo amin’ireo miaramila koa izy ireo hiaraka hamoaka ireo gadra politika ary miantso ny praiminisitra Beriziky hijery akaiky ireo voafonja politika izay tokony havoaka haingana araka izay vosoratra ao amin’ny sori-dalana.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT