Tena namotika ny toekarena Malagasy ny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny taona 2009. Maro ireo singa ara-toekarena azo hijerena io faharavan’ity sehatra antoky ny fampandrosoana ny firenena ity. Raha ny zava-misy hita maso eny anivon’ny fiarahamonina aloha dia eo ny firoborobon’ireo karazana sehatra tsy ara-dalàna, ny fahazoan’ny fitsaram-bahoaka vahana ary ny fikororoson’ny fiarovana ny tontolo iainana
Eo amin’ny resaka tondro ara-toekarena indray dia voalohany amin’izany ny harinkarena izay nanodidina ny 2%, ohatra, tamin’ny taona 2013. Teo ihany koa ny fidangan’ny vidim-piainana izay nanodidina ny 7% tamin’iny taon-dasa iny noho ny fiakatry ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro sy fisondrotry ny sandan-tsolika. Voakasika manokana tamin’ny korontana ara-politika ny lafiny ara-pambolena izay mandrafitra ny ampahefatry ny vokatra anatiny eto Madagasikara noho ny firongatry ny valala sy ny tsy fahampian’ny orana. Nihena hatrany amin’ny 20% ny voka-bary tamin’ny taona 2013. Tantsaha Malagasy 4 tapitrisa no kere vokatry ny fitotongan’ny fambolena sy ny fiompiana, araka ny antontan’isa navoakan’ireo fikambanana iraisam-pirenena mpiara-miombon’antoka amintsika toy ny Banky iraisam-pirenena, ny Tahirim-bola iraisam-pirenena sy ny Firenena mikambana tamin’ny faran’ny taona 2013.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.