Politique

Krizy politika Mampitandrina ny terataniny ny Frantsay


  • Alakamisy 01 Desambra 2011


 Tamin'ny alalan'ny torohevitra ho an'ny mpandeha tao amin'ny tranonkalan'ny Quai d'Orsay no nampitandreman'ny fitondrana frantsay ireo terataniny rehetra monina na mandalo eto Madagasikara mba hitandrina. Afak'omaly no nivoahan'io filazana io. Ny antony, araka ny voalaza, noho ny fisian'ny olana ara-politika lavareny eto an-toerana. Tsy azo antoka intsony ny fandriampahaleman'ny tsirairay. Tsy ny eto an-drenivohitra ihany no ampitandreman'ny fitondrana frantsay fa hatrany Nosy Be ihany koa. Voalaza mihitsy ao anatin'ilay tranokala fa misesisesy ny famonoana teratany vahiny any amin'ity nosy iray ity. Ny torohevitra ho an'ireo Frantsay izay voasoratra ao anatin'ilay tranonkala, indrindra ho an'ireo izay hihazo an'i Madagasikara dia mba hanana fiantohana fampodiana an-tanindrazana na “assurance rapatriement”. Tsy sambany no manao fampitandremana ho an'ny terataniny tahaka izao ny fitondrana frantsay.
G.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT