Politique

Krizy 2009 Nampihisatra ny fanapariaham-pahefana


  • Alatsinainy 12 Desambra 2016

Tena zava-dehibe ny nanindrian’ny filoha mpiara-mitantana ny AVCOI (Association des Villes et Collectivités de l’Océan Indien) vaovao Ravalomanana Lalao ny fiaraha-miasa matotra amin’ireo mpamatsy vola hampiova ny endriky ny tanàna sy ny fiainan’ny mponina ao aminy, hoy ny tompon’andraikitra mpitantana ny OPCI-FIFTAMA (Organisme Public de Coopération Intercommunale -


 Farimbona Iombonan’ny Firaisan’ireo Tanàna Manodidina an’Antananarivo) Randriamahefa Justin. Fatiantoka goavana mantsy ny tsy fisitrahan’ireo tanàna Malagasy nentin’ireo olom-boatendry mpikambana ny famatsiam-bola fampandrosoana avy amin’ireo firenena sy mpiara-miombon’antoka nanomboka ny taona 2009. Nampihisatra ny tontolon’ny fanapariaham-pahefana ho an’ireo vondrom-paritra eto Madagasikara rahateo iny ny krizy lavareny 2009-2014 iny. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena anefa ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mijanona eo amin’ny resaka ambony latabatra fotsiny moa io fanoitra fampivoarana ny fiaraha-monina ifotony io eto amintsika. Lasa ankilabao mihitsy ohatra ny fitantanana eny anivon’ny Fokontany amin’izao Repoblika faha-4 izao izay tsy tafiditra akory ao anatin’ny rafitra fitsinjaram-pahefana ara-dalàna, araka ny fanamarihan’ity Ben’ny tanàna teo aloha ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT