Politique

Kotomanantsoa Rémi “Hahery vaika ny Rodobe”


  • Alatsinainy 02 Aprily 2012

Nihaona tamin’ny mpanao gazety sy ireo mpiara-dia rehetra tao amin’ny trano fisakafoanana “L’univers”, ny mpitarika ny Rodobe Toamasina notarihan’Atoa Kotomanantsoa Rémi.

 Nampahafantarina fa dia nanatevin-daharana ny Rodobe ny “VITAL Fampandrosoana” tarihin’i Mananjara James Antonio. Hahery vaika kokoa ny hetsiky ny Rodobe manomboka izao, ka aorian’ny Paska no hanomananay ny hetsika voalohany ao anatin’izany, hoy i Kotomanantsoa Rémi. Nitondra fanamarihana mikasika ilay volavolan-dalàna momba ny amnistia ity farany, ka nilazany fa natao hanilihana olona tokana sy mpanao politika atahorana fotsiny. Fanontaniana no napetrany taorian’izay, hoe : olona mbola misazy ary mpanongam-panjakana ve no hanome amnistia eto ? “Fahotana mahafaty izany ka tsy azo ekena”, hoy i Kotomanantsoa Rémi. “Ela loatra ny tetezamita, mijaly ny vahoaka, ailika ny mpifaninana politika atahorana, naverina ny jadona, tsy tafavoaka anaty tonelina ny firenena, izay no mahatonga anay miteny ankehitriny”, hoy kosa i Mananjara James Antonio, “VITAL Fampandrosaona”, namarana ity fihaonan’ny Rodobe Toamasina ity.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT