Kotomanantsoa Rémi

> Fotoana izao hanambarana ny hery


  • Zoma 20 Septambra 2013

Tsy hitondra fandaminana eto amin’ny firenena ny fanaovana fifidianana amboletra, hoy Atoa Kotomanantsoa avy amin’ny ankolafy Zafy Albert fa vao mainka aza hiteraka korontana fa na dia ireo kandidŕ nirotsaka hofidiana aza ankehitriny dia efa tena mahatsiaro tena voafitaka ny ankamaroany ary midradradradra fa tsy izy ity fifidianana hatrehana ity.

Tsy miova amin’ny hevitra efa novoizinay hatramin’izay izahay ao amin’ny ankolafy Zafy Albert, hoy izy, fa tokony hiainga eny ifotony aloha isika dia ny fananganana fototra izay tsy inona fa ny lalàmpanorenana vaovao hitondrana ny tany sy fanjakana ary hamaritana ny tena lalan-kaleha, avy eo miroso amin’ny dingan’ny fampihavanana nofaritan’ny FFKM dia izay vao miroso amin’izany fifidianana samihafa tian-katao izany. Tsy afenina, hoy ity mpanao politika ity, fa somary nalahelo kely izahay amin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ankolafy Ravalomanana nanaiky ny handray anjara amin’io fifidianana io. Marina, hoy izy, fa mety hoe mafy ny tery vay manta nataon’ny iraisam-pirenena nefa teo mihitsy no tokony nanehoan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny hambompom-pirenena ananany ary tena nahafantarana azy. Tsy tokony hariana mihitsy ny fitiavan-tanindrazana sy ny maha izy ny tena hanoherana ireo vahiny ireo, hoy Atoa Kotomanantsoa, hahazoana miaro ny harem-pirenena izay tsiriritin’izy ireo fatratra. Firenena mahaleotena tsy tokony hobaikon’ny vahiny izany isika, hoy ity mpanao politika ity ka fotoanany izao hanambarana ny hery. Mbola manao antso avo aminareo mianaka mpitondra (PM Beriziky sy Andry Rajoelina) mba ajanony re io fifidianana io fa aleo misoroka toy izay mitsabo ê ! Tsoriko, hoy ity mpandrindra nasionalin’ny GREF ity fa efa mampiaka-peo ankehitriny ny Federalista manerana ny Nosy fa tsy hanaiky an’io fifidianana io.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT