Politique

Korontana teto Iarivo omaly Sambany tsy nifatraran’ny rihitra ny ankolafy 3


  • Alarobia 23 Novambra 2011

Isaky ny misy korontana tao anatin’izay 3 taonan’ny tetezamitan’ny FAT izay teto an-drenivohitr’i Madagasikara dia tsy maintsy voatonona hatrany ny ankolafy 3 noho ny fanatanterahany tsy tapaka ny famoriam-bahoaka an-kianja.

 Sambany omaly talata nisiana savorovoro tao Behoririka sy Soarano hatreny Isotry no mba tsy voatonona ireto mpitolon’ny ara-dalàna ireto. Tsy hoe tsy nihetsika tsy akory ny ankolafy 3 fa nanohy hatrany am-pilaminana ny fivoriana fanaony tao amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ary nanaraka am-pitoniana ny hafatr’i Dada na teo aza ny baomba mandatsa-dranomaso nanakoako sy nanempotra tany ivelany tany. May volon-tratra tamin’ny zava-nisy ny fitondrana FAT ka nampanao vaovao edisiona manokana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana mihitsy ny Jeneraly matihanina amin’ny fandaminana savorovoro, fa niseho lany ny tao am-po nihotriky ny vahoaka sahiran’ny krizy fa karazana fanaingan-javatra ihany ny fisiana famonoana vahiny mpiasa Malagasy. Fijery mahitsy ny zava-misy izay fa ny mpitondra FAT manana fijery miavaka azy manokana izay ka asa na mbola hiova indray ao anatin’ny ora manaraka ny fanazavana ofisialy tamin’ireny trangan-javatra omaly ireny satria ny alina mitondra fisainana. Iza indray àry no hamoronana “dossier” ao anatin’izy iny, hoy ianao ?
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT