Namoaka fanambarana tetsy amin’ny biraony etsy Ampefiloha omaly ny avy eo anivon’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM, tarihin’ny filohany Maka Alphonse.
Nanao antso avo ho amin’ny fahatoniana sy fanajana ny fihavanana izy ireo. Ny 2 febroary 2017 moa no napetraka tamin’ny andraikiny ity rafitra ity araka ny andinin-dalàna laharana 2016 – 037. Ary dia noboriboriana tamin’ny hoe hitarika ny fampihavanana ny andraikiny. Nanamafy ny fahavononany hidina ifotony hifanatona amin’ireo mpitari-drafitra eny omaly ny CFM ary tsy mbola namaritra daty. Nangataka fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka izy ireo mba hiala amin’ny fifampihantsiana, hifampiresaka amin-kitsim-po ho fanamafisana ny fitiavan-tanindrazana. Mba tsy hiraviravy tanana na dia eo aza ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny tsy fandriampahalemana ary ny takaitra navelan’ny rivodoza. Fotoana mantsy izao, hoy izy ireo, itrangan’ny tsy fitovian-kevitra ka miteraka disadisa miverimberina ary mametraka takaitra lalina ho an’ny firenena. Manahy korontana sahady, araka izany, ny CFM.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.