Politique

Kongresy Tsy mahazaka demokrasia ireo mpomba ny FAT


  • Zoma 03 Febroary 2012

Efa hatramin’ny alatsinainy ka mandraka ny omaly dia ny lalàna momba ny fifidianana no nodinihin’ireo mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita.

 Raha ny omaly anefa dia tsy nanatrika ny dinika ny minisitra tomponandraikitra kanefa tokony ho niroso tamina fifidianana ireo mpikambana amin’ny Kongresy handaniana izany volavolan-dalana izany. Teo dia raikitra ny tsangan-tanana ny amin’ny hirosoana na tsia amin’ny fifidianana. Ny ankolafy Ravalomanana izay vitsy an’isa ao amin’ity rafitra ity moa dia nitaky ny amin’ny haha eo ny minisitra. Ny mpanohana an’i Andry Rajoelina kosa nanesika ny tokony hirosoana amin’ny fifidianana na tsy eo aza ny minisitra. Voatery nirosoana ny tsangan-tanana ka 67 ireo nanaiky ny hirosoana amin’ny fifidianana na tsy eo aza ingahy minisitra, 88 kosa ireo nanaraka ny hevitry ny ankolafy Ravalomanana ny amin’ny tokony haha-eo ny minisitra. Araka izany, hoy i Manoela dia resy ny TGV sy ny UDR-C. Teboka maromaro, araka ny fanazavan’i Manoela ihany no tsy nifanarahana, anisan’ireny ny momba ny biletà tokana. Efa hita tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Kongresy, hoy ity Parlemantera ity ny tsy fahaizana mampiasa ny bileta tokana kanefa efatra monja ireo kandida tamin’izany. Fanontaniana no apetrany manoloana izany hoe ahoana no handraisan’ny vahoaka any ambanivohitra lavitra any ny bileta tokana ? Ho an’i Manoela dia loharanon’ny fangalaram-bato no tadiavina hatao. Momba ny resaka mandeha be tato ho ato ny amin’ny hananganana fitondra-miaramila indray dia heverin’i Manoela fa tafiditra ao anatin’ny tetiky ny Frantsay tsy hamelana an-dRavalomanana hody an-tanindrazana izany. Raha ny fampitam-baovao tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly dia nisy ny fivoriana nataona manamboninahitra ny alin’ny alarobia teo nikononkononana izany, ary volabe amina miliara no mihodina ao anatin’izany. Tsotra moa ny resaka ho an’i Manoela, tsy hisy zavatra hilamina eto Madagasikara raha tsy tafaverina i Marc Ravalomanana.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT