Politique

Kongresy Tsimbazaza Raikitra ny “Amen Alleluia”


  • Alakamisy 23 Febroary 2012


 Niakatrakatra ny feon’ny CT Ndrianalijohn Andriamanampy (Rév. Satrobory) tamin’ny famaliana ny fanamarihana nomen’ny minisitra iray ao amin’ny governemanta, omaly maraina, nilaza tamin’ny tatitra nataony ho fampahafantarana tamin’ireo CT ny manodidina ny voina mahazo ny firenena taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Giovanna, fa tsy misy afa-tsy ny fifandraisan-tanan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina no vahaolana amin’ny fahazoan’i Madagasikara fanampiana avy any ivelany. Tsy ampy ny fanampiana homen’ny any ivelany antsika, hoy ny fanamarihan’ilay minisitra tamin’izany. Somary nisy CT nihoraka moa raha vao handray fitenenana ny Rév. Satrobory ka izay no tena nampiakatrakatra azy ary tonga hatrany amin’ny fitenenana mafy ny teny mahazatra azy teny an-kianja fahiny hoe : “Amen Alleluia”.

Fantatra avy amin’ny tatitra nataon’ny Tale am-perinasan’ny BGNRC notronin’ny minisitry ny asa vaventy sy ny minisitry fitaterana fa nahazoana tatitra tamin’ny zava-nanjo avokoa ny Faritra 22 eto amin’ny Nosy na dia nisy aza ny toerana sasany toa an’Ansosibe an’Ala tsy mbola nahazoana akony. Nandeha tsara ny famonjena ireo traboina na dia nisy lesoka kely aza tamin’ny faritra sasany. Tokony ho ampy ny ho enti-manana amin’ny famonjena voina fa efa nanome fampanantenana ny Vondrona Eoropeanina fa hanome 100 tapitrisa rehefa tafapetraka ara-dalàna ny rafitra FER (Tahiry ho fikojana ny lalana) hitantanana azy. Ny fihotsahana no betsaka tamin’ny loza niseho afa-tsy ny fahasimban’ny tetezana tany amin’ny RN44 sy ny etsy Ambohimangakely (RN2) izay efa nananganana tetezana vonjimaika avy (pont Bailey). Hosokafana ny lalana Brickaville-Andevoranto-Ambila izay hanamora ny fanarenana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT