Nafana dia nafana ny adihevitra, omaly alarobia, teny amin’ireo Parlemanta roa tonta Anosikely sy Tsimbazaza.
Raha fandaminan-draharaha amin’izay mety ho votoatin’ny fandaharam-potoana manaraka no natao teny amin’ny CST Anosikely ny maraina, tao anatin’ny “conférence des presidents” notohizana tamin’ny fivoriana nitambarambe nananganan-tanana nandaniana azy io ka noheverina fa hilamindamina, dia nisy ny fiakaram-peo i teo am-pidirana ny fivoriana. Nisy an-kanisa mantsy ireo mpikambana ao anatin’ny vondrona parlemantera tsirairay avy. Hiandry vasoka an’ilay volavolan-dalànan’ny famotsoran-keloka avy eny Tsimbazaza ireo CST nikasa ny hiditra amin’ny asam-baomiera anio maraina amin’ny 11ora satria amin’io ora io vao hitohy indray ny fandaniana an’io volavolan-dalàna io eny amin’ny Lapan’ny Kongresin’ny tetezamita fa tsy vita omaly araka ny fandaharam-potoana voatondro.
Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ka tsy nifarana raha tsy efa tany amin’ny 6ora sy sasany hariva tany rehefa nisy ny fiatoana kely teny an-tsefatsefany teny ny fivoriana nitambaram-be niadian-kevitra mikasika azy io tetsy Tsimbazaza. Niakatrakatra toy ny mahazatra ny feo, niakatra ny tosi-drà, nivoaka ny tao am-po tsy niloaka hatrizay. Namoaka ny alahelony ireo niharan’ny fanagadrana hatramin’izay. Nisy ny mba nalefadefa-pitenenana nitady famitranam-pihavanana ary vonona ny hifamela heloka, tahaka ireo mpikambana maro ao amin’ny ankolafy Ravalomanana.
Nisy koa ireo tsy mety miova amin’ny hevitra nijoroana ka hita ho mbola marary fo tanteraka ary tsy mbola volombolon’ny hiroso amin’izany famelan-keloka izany fa ny sivana ihany no ao an-dohany. Anisan’ireo ny minisitra Manantsoa Victor sy Razanamahasoa Christine. Ho azy ireo dia efa manaraka ny tovotao iraisam-pirenena ary mifanaraka amin’ny tondrozotra koa ity volavolan-dalàna nivoaka avy amin’ny governemanta ity. Nandrasana ho avy teny Tsimbazaza ny teknisianin’ny SADC omaly, fa tsy tonga. Ady gasy no niafarany. Nafana ny adihevitra ary voalaza fa nanjaka ny demokrasia ka tafakatra hatreny ambony latabatra mihitsy ry Maso José nanentana ny mpiara-dia taminy rehefa nisy ny fiatoana kely ho famondronan-kevitry ny vondrona tsirairay.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.