Miala any ny volavolan-dalŕna laha.010/2012 tamin’ny 9 mey 2012, mikasika ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanam-pirenena Malagasy) na CRM izay hodinihan’ireo mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) ao anatin’ny asam-baomiera anio alarobia marainan’ny 16 mey.
Somary niavaka ihany ny fandehan’ny fivoriana teny Tsimbazaza ho an’ireo CT namonjy fivoriana omaly satria niroso nialoha ny fandaniana ny volavolam-pandaharam-potoana ny tolakandro ny tatitra nataon’ny minisitry ny rano sy ny minisitry ny fitsarana sy ny ekipany tsirairay avy. Ity fandaharam-potoana omaly maraina ity anefa dia tafiditra ao anatin’izay nolaniana fa talata 15 ka hatramin’ny alatsinainy 4 jona no voarakitr’izany fandaharana izany. Omaly koa dia nambara indray fa noho ny fahateren’ny fotoana dia hovaliana an-taratasy ny fanontaniana napetrak’ireo CT nivantana tamin’ireo minisitra tonga nanao tatitra. Marihina fa tsy tonga nanao ny azy ny ministry ny rano sy ala noho ny fanilihana azy tao amin’ny governemanta. Any amin’ny alatsinainy 21 mey indray no mitohy ny tatitr’ireo minisitra isanisany ka hiaka-dapa indray amin’izany ny minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny ministry ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.