Nolavin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny OMC ivondronan’ny prefektiora sy ny mpitandro filaminana ny fanatanterahana ny Kongresin’ny Antoko Tiako I Madagasikara sady fanamarihana ny faha-15 taona, izay hatao any Toamasina anio.
Nilaza ny prefe Rabenandrasana Cyrille fa tsy nisy ny fangatahana, ka horarana ny hetsika satria tsy nahazoana alalana. Nambarany fa fitandroana ny filaminana no antony. Ao amin’ny Magro ao Tanambao V ny toerana hanaovana azy io, izany hoe toerana an’olon-tsotra sy voafefy, ka tsy tokony hisy mihitsy ny sakana sy ny fandrarana, ka nanaovana bontolo fotsiny hoe voarara ny fihetsiketsehana. Nampahafantarina ny prefe tamin’ny 9 aogositra fa hanao hetsika ny TIM, ary tsy mila alalana akory izany, raha ny fanazavan’ny Me Andriamadison Hasina, ka toy ny teto Antananarivo ihany dia nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny filan-kevi-panjakana ny TIM, mba hanafoanana io fandrarana io, ary nandresy, izay midika fa miato avy hatrany io fanakanana io.Tsy hilefitra sy tsy hanaiky ny ramatahora ataon’ny fanjakana kosa ny antoko TIM, izay efa mazava fa nahazo rariny tamin’ny filan-kevi-panjakana, ka tsy hihemotra amin’ny kongresy izay efa nomanina. Efa nandrasan’ny vahoaka any Atsinanan’ny Nosy rahateo io kongresy lehibe io, ka ho tafahaona indray ny tia sy ny manina. Omaly no efa tonga tany Toamasina i Marc Ravalomanana, izay nandeha tamin’ny fiaramanidina manokana mihitsy. Niatrika ny famaranana ny zaikan’ny sampana sekoly alahady tao amin’ny sekoly David Johns any Toamasina ny tenany ny andron’ny omaly, ary hihaona amin’ireo mpikatroka TIM any an-toerana ao amin’ny Magro Tanambao V kosa izany izy anio. Toy ny tany Manakara, dia tsy misy ny fidinana an-dalambe na famoriam-bahoaka amin’ny toerana natokana ho an’ny daholobe, fa filàm-boatsiary indray no anton’ny fandrarana. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe holoaran’ny herim-pamoretana ao amin’ny toerana hivoriana ve izany ny mpikatroka TIM na hambenana tsy hiditra? Toy izany foana ve izany no zavatra hiseho sy hipoitra eto mandra-pahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena na mandra-pirodan’ny fanjakana HVM? Ny antoko TIM sy i Marc Ravalomanana aloha hatreto no lasibatra, saingy mbola be no ho avy eo hoy ilay fitenenana, ka hatsangana ho fahavalo avokoa, izay rehetra atahorana amin’ny fifidianana. Ny TIM aloha izao no lasibatra, dia mangina ny hafa, saingy làlana holalovan’ny maro ihany io e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.