Politique

Kongresin’ny TIM tany Manakara Fahombiazana tanteraka


  • Zoma 04 Aogositra 2017

Fahombiazana tanteraka ny Kongresim-paritry ny Antoko Tiako I Madagasikara ho an’ny faritra Atsimo Atsinana sy Vatovavy Fitovinany notanterahina tany Manakara, tao amin’ny hotely Mangneva, omaly.

 

Tafiditra tao anatin’ny faha-15 taonan’ny Antoko izy io, ka ny filohan’ny nasionalin’ny Antoko TIM, Marc Ravalomanana mihitsy no nitarika ny lanonana. Nivoitra tamin’ny fanambaran’I Marc Ravalomanana ny fametrahana ny tany tan-dalàna sy ny zon'olombelona eto amin’ny firenena. Mila miray hina sy miasa miaraka no hafatra ho an’ny TIM, izay antoko matanjaka ary hohamafisina izany. Noresahina ihany koa ny zo fototra sy ny demokrasia, ary isan’ny zava-dehibe ny resaka fahalalahana maneho hevitra. Olon’ny haitarika na « Leadership » i Marc Ravalomanana, ka tsy adinony ny mizara sy mampita izany ho an’ireo mpikatroka ao anatin’ny antoko. Hafaliana tsy omby tratra moa ny an’ny rehetra, ka nisy ny fiaraha-mikorana sy ny fanapahana mofomamy mba ho fanamarihana ny tsingerin-taon’ny antoko. Tsy mba tery làlana na mora kivy amin’ny antsojay politika mahazo azy I Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM tarihiny. Efa fomba fiaina sy fomba fiasany izany hatramin’ny nahafantarana an’I Marc Ravalomanana na teo amin’ny fandraharahana na teo amin’ny fanaovana politika, ka mahita vahaolana hatrany manoloana ny antsojay. Efa raiki-pohy sy teny filamatra ny hoe tsy mora kivy, ka nisafidianana ilay fiteny vahiny hoe “Never give up”. Raha nanaovana antsojay ny fanombohana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko teto Antananarivo, dia mahita hevitra hatrany, ka natomboka tany amin’ny faritra indray izany, ary noporofoiny fa tsy Antananarivo irery ihany no manohana sy mametraka ny fitokisana aminy. Tsaratsara kokoa ny tsy manangam-pahavalo azy satria efa vita sedra tamin’ny lafiny maro I Marc Ravalomanan sy ny TIM, ary toy ny volamena latsaka am-bovoka, ka tsy havelan’ny tarany tsy hamiratra.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT