Loharanom-baovao avy eny anivon’ny antenimieram-pirenena no nahenoana fa hasaina hanatrika ny kongresim-paritry ny antoko HVM any Mahajanga ny 25-26 novambra izao ireo solombavambahoakan'izy ireo.
Vao vita ny fihaonana eo amin’ny governemanta sy ny depiote, dia hihazo ny renivohitr’i Boeny avy hatrany izy ireo. Hiantohana ny saran’ny fiaramanidina mankany, raha ny vaovao heno teny Tsimbazaza. Tsy vitan’izay fa mbola hotolorana 1 tapitrisa ariary isan’olona izy ireo. Ny HVM no voalaza fa hiantoka ny fandanian’izy ireo mandritra ny dia any an-toerana. Ho an’ireo mpikamban’ny governemanta kosa dia re fa hisy ny Filankevitry ny minisitra mitety faritra, ka dia hihaona any izany ny HVM manontolo. Inoana fa hanao ny fanaony amin’ny fanambazana vola ny olona hanatrika sy hampiseho fa manana mpanohana ny HVM fa tsy arakakaraka ny laza ratsiny. Raha ny fampitam-baovao avy any Mahajanga kosa dia misy ireo olona mbola tezitra mafy noho ny tsy naharaisan’ny sasany ny sandan’ny vola karama tamin’ny fanotronana an-dRivo Rakotovao, filohan’ny antenimierandoholona sady filoha nasionalin’ny HVM tamin’ny fitsidihana nataony tany. Ny mampametra-panontaniana hatramin’izao dia ny fiavian’ny loharanon’ireny vola atao fafy katrana ireny. Tsy lehibe matanjaka mantsy ny HVM fa antokon’ny olona mitantana ny fanjakana sy firenena ankehitriny. Mety ho ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena ve ? Izao izany ilay hoe anay izao ny fahefana dia izay tianay ihany io, araka ny voalazan’ilay olo-malazan’ny HVM sady olo-malazan’ny fanaovana kolikoly indrindra teto Madagasikara hatramin’ny nahazoana fahaleovantena ! Fa fanjakana inona loatra ity e ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.