Asa indray izay hiseho eny amin’ny Lapan’ny Kongresin’ny tetezamita eny anio talata 21 mey ?
Raha ny zava-nisy tsikaritra teny an-toerana tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo iny mantsy dia tsy matotra mihitsy ity fivoriana ara-potoana voalohany 2013 ity fa zary lasa fandaniam-potoana sy fandaniam-bolam-bahoka fotsiny. Tsy tonga teny an-toerana, hoy ny feo heno, ilay volavolan-dalàna nokasain-dRajoelina hangatahana ny hitazomana ireo tombontsoa ananany ankehitriny amin’ny maha-filohan’ny tetezamita azy, rehefa hametra-pialana izy noho ny firotsahany ho kandidà, satria notsipahan’ny minisitra maromaro tao anatin’ny filankavitra.
Tsy fantatra araka izany hoe : inona indray no fandaharam-potoana ho foronina ao amin’ny «Conférence des Présidents» anio maraina ? Ny tabilao eny an-toerana moa dia tsy mitsahatra ny soratana sy fafana noho ny fiovaovan’ny toe-draharaha, ary ireo MCT dia kamo mamonjy fivoriana noho ny tsy mbola nandraisan’izy ireo sôsy (ka tsy misy lany izay volavolan-dalàna natolotra nolaniana faramparany teo noho ny tsy fahatrarana fetr’isa), sy noho ny ankamaroanizy ireo hita ho sahirankirana tanteraka amin’ny fikarakarana ny filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka ka dia tazana misomebiseby miaraka amin’ny antontan-taratasy samihafa ao anatin’ny tokontanin’ity Lapa ity.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.