Tafita ny kajikajy politika nataon’ny ankolafy Ravalomanana mba hahazoana andrimpanjakana.
Voafidy ho filohan’ny Kongresy (CT) mantsy i Mamy Rakotoarivelo noho ny fifandresen-dahatra tamin’ireo ankolafy hafa manana mpikambana ao amin’ny Kongresy raha ny fanazavany. Nitaky fatratra ny hisian’ny fifandanjam-pahefana amin’ireo rafitry ny tetezamita ny ankolafy misy azy ary mbola naveriny indray omaly fa ara-drariny tanteraka ny nahazoan’ny ankolafy Ravalomanana ny fitantanana ny Kongresy izay hery tsy azo hamaivanina eto amin’ny firenena satria efa lasan’ny mpanohana ny filohan’ny FAT ny fiadidiana ny tetezamita sy ny CST ary an’ny ankolafy Zafy ny fiadidiana ny Praiminisitra. Mety hiala amin’ny maha lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana moa ny tenany raha ny nambarany noho ity andraikitra vaovao ity izay sarotra ny hampivady azy amin’ny maha filohana andrimpanjakana noho ny antony ara-potoana. “Anjaran’ny filoha Ravalomanana anefa ny fanapahan-kevitra”, hoy izy.
Manoloana ireo mpikambana CT kosa dia nanambara ny tenany nandritra ny kabariny voalohany fa apetraka eny anjorom-baravarana ny maha mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana azy fa filohan’ny CT ny tenany manomboka izao ary hiady ho an’ny tombontsoa iombonana. “Handinika ny tetibolam-panjakana 2012 isika ka tsy hanao tompony mangataka atiny”, hoy ny filoha vaovao nanoloana ireo mpikamban’ny Kongresy. Ankoatra ny tetibolam-panjakana dia vaindohan-draharaha koa ny fankatoavana ny tondrozotra izay havadika ho lalàna mampijoro ny tetezamita ka ahafahana mametraka ny fitoniana ara-politika, ara-tsosialy ary mandany ny lalàna momba ny famotsoran-keloka. Anio maraina amin’ny sivy ora no hotanterahina eny Tsimbazaza ny famindram-pahefana eo amin-dRaharinaivo Andrianatoandro, filoha teo aloha, nitantana ity andrim-panjakana iray mpanao lalàna ity teo anelanelan’ny 12 oktobra 2010 sy 08 desambra 2011 sy i Mamy Rakotoarivelo, filoha vaovao voafidy omaly.
Tsy olom-baovao ao Tsimbazaza raha i Mamy Rakotoarivelo. Depiote TIM, voafidy tao amin’ny boriborintany Antananarivo III izy ary mpikambana tao amin’ny birao maharitra teo aloha. Tao anatin’izao krizy izao indray dia efa nifaneken’ireo efa-tonta filohan’ny ankolafy ho filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ny tenany nandritra ny dinika tany Addis Abeba tamin’ny novambra 2009, ary voarakitra tao anatin’ny fifanarahana tovana, vita sonia tamin’izany ny anarany. Efa nanao famindram-pahefana taminy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Me Jacques Sylla Hugues saingy tsy naharitra ny fandraisany asa tao, rehefa notsipahan’i Andry Rajoelina ny sonia nataony, ka niverenany tamin’ny fitondrana taritokana. Koa raha voafidy hitantana ny Kongresin’ny tetezamita i Mamy Rakotoarivelo ankehitriny, dia karazan’ny fanamafisana ny efa nifanekena tany Addis Abeba ihany izany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.